Krizy tsisy vahaolana, setrasetra politika

Mifoha ny Malagasy, miha mafy ny fitakiana…


  • Talata 23 Septambra 2025

Mihamafy ny krizy sosialy eto amin’ny tany sy ny Firenena,

izay miharihary fa tsy voavahan’ny Fanjakana Rajoelina. Serasera sy don-tandroka sisa entina miatrika ny toe-draharaha fa izay tena fahaiza-manao entina mamaha olana tsy misy. Porofo mivaingana ny resaka delestazy izay io miteraka fipoahana ara-tsosialy sy ara-politika. Miha mangotraka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, nosantarin’ny teny Imeritsiatosika, niampita teny Antananarivo Avaradrano,… ny faran’ny herinandro teo. Vao fiandohan’ny herinandro omaly alatsinainy, dia nangotraka ny hetsika teny amin’ny Sekoly ambony Politeknika teny Vontovorona, niafara tamin’ny fampifamonoana ny Emmo-reg sy ny mpianatra indray. Tonga hatramin’ny « Miala Rajoelina ! ». Antony voalohany ny olan’ny rano sy herinaratra tsy voavaha mandan-taona. Ampahany ireny, andrasana ny mety hitranga amin’ny alakamisy 25 septambra izao, izay mety hafana, ary hita mikorapaka manao serasera samihafa ny Fanjakana entina hamonoana afo. Ny fisamborana sy fanolorana ara-pitsarana na fampihorohoroana ara-tsaina sy ara-moraly an-dry Faniry Alban Rakotoarisoa na Baba sy Clémence Raharinirina no heverin’ny Fanjakana Rajoelina fa hifehezana ny toe-draharaha ? Izay tokoa ve no zava-dehibe sy politika mahomby ? Ny fampitomboana ny Emmo-reg hiady amin’ny vahoaka ve no vahaolana ? Fandrahonana sy fisamborana na fanagadrana ve no hampisy fahamarinan-toerana ho an’ny Fitondrana Rajoelina ? Vao mainka làlana manafaingana any amin’ny kizo raha tsy mitandrina, ary tsy angovo sy herinaratra ihany no olana eto fa efa mahafaobe : toekarena, politika, fanabeazana, tsy fananan’asa,…

LAINGA SY FAMAHANAN-DALITRA MANDAVAN-TAONA
Raikitra ny fampitenenana ireo olom-panjakana sy mpanohana fitondrana samihafa hitanisa ireo lazaina fa tetikasa sy vahaolana efa entin’ny Fanjakana Rajoelina, fa ny olana mitoetra. Tsy misy antenaina firy raha izay taom-piasana telo nitantanan-dRajoelina izay, ary taratry ny fahapotehan’ny Firenena ny Jirama, Air Madagascar,… Miverina ny fampahatsiahivana ny nilazan’i Andry Rajoelina ny novambra 2018 fa hamokatra 400MW anatin’ny 5 taona (novambra 2018), efa vitanay ny études rehetra (desambra 2018) ; 6-8 volana dia ho foana ny delestazy (Andekaleka janoary 2022), tsy hivoaka ato raha tsy misy vahaolana (Ambohimanambola oktobra 2024), tsy tokony hisy intsony delestazy amin’ny herintaona toy izao (novambra 2024), tsy hisy intsony ny delestazy amin’ny ora fiasana,… Nanampy an’ireny ny éolienne efa hatramin’ny tetezamita, ny fidradradradrana tao Mahamasina ny aogositra 2018 hoe : tsy misy intsony ve ny delestazy ? Manana asa ve ny tanora ? Ny politika momba ny angovo tsy mahomby, ny fangejan’ny mafia mihamafy, ny tsindry samihafa avy amin’ireo mpifehy ny toekarena tsy voafehy. Ny solika eto toy ny any Tsimiroro fehezina tsy hositrahana eto noho ny tombotsoan’ny vahiny. Sehatra stratejika maro no tratran’izany : angovo, PPN na ny entana ilaina andavanandro, fananan-tany,… izay ny Mpitondra ihany anefa no mamatotra ny Firenena amin’ny vahiny. Sarotra no hisian’ny fahagagana ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao, ka ny fahafahan’ny isan-tokantrano mampiditra sy misitraka angovo azy mahaleotena no vahaolana, fa raha Jirama tena mbola lavitry ny kitay ny afo !
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT