Politique

Krizy sy olana ara-jeopolitika Mihamafy ny sakoroka maneran-tany


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Mitombo ny karazana korontana maneran-tany, ary toa zavatra tsy ampoizina dia mampipoaka azy, lasa mivadika ho krizy.

Na firenena heverina ho ngeza sy matanjaka aza toa mikorontana sy tratry ny krizy, ka asa na vokatry ny krizy ara-toekarena maneran-tany na efa pitik’afo ny ady ara-jeopolitika, mety làlana makany amin’ny lamina sy fifandanjan-kery vaovao maneran-tany? Tena miiatra ny olana sy toe-draharaha mafana na “foyer de tension” maneran-tany. Ny tany Frantsa, raharaha fitifiran’ny polisy nahafaty an’i Nael tovolahy vao 17 taona ny faramparan’ny volana jona teo no niteraka fipoahana nahery vaika, niitatra tamin’ny fandrobana sy famotehana fananan’olona maro dia maro, ary efa iray volana aty aoriana vao milamindamin-dratsy. Mahatratra hatrany amin’ny 650 tapitrisa dolara ny sandan’ny fahapotehan’ireo orinasa sy fananan’olon-tsotra raha ny tomban’ny Vondron’ireo trano fiantohana na Fédération Professionnelle de France Assureurs hatramin’ny omaly 11 jolay. Ny an’ny fiantohana aza izany, izay mety ho ambany satria izy no hamoaka vola, fa efa amina miliara dolara, raha ny tomban’ireo Vondron’orinasa toy ny MEDEF. Ny an’I Ukraine sy Russie mbola ady vita, ary efa niova ho ady ara-jeopolitika maneran-tany noho ny fidiran’ny Tandrefana mivantana sy ankolaka. An’hetsiny no maty, mikorontana ny toekarena, saingy tsy mbola manangasanga ny fitsaharan’ny ady. Nihamafy ihany koa ny fihetsiketsehana tany IsraËl omaly noho ny fanoherana ny fanavaoazana eo amin’ny tontolon’ny fitsarana na “réforme judiciaire”, izay ambaran’ireo tsy mankasitraka fa mampizarazara ny firenena. Tsy vao izao ny fanoherana an’io saingy niha nangotraka ny fanoherana sy ny fidinana an-dalambe omaly noho ny fandanian’ny parlemanta azy tamin’ny fandinihana voalohany ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Aty Afrika, milamindamin-dratsy I Sénégal taorian’ny fanambaran’I Macky Sall fa tsy ho kandida Filoham-pirenena, raha toa ka saika efa mikorontana ireo tany ao anatin’ny CEDEAO (Communauté Économique Des États de l’Afrique de l’Ouest). Isan’ny matetika manakorontana an’ireny ny ady ara-jeopolitika toy ny adisisika ataon’ny Rosianina amin’ny alalan’ny Wagner sy ny sinoa kanefa tsy manaiky lembenana ny Eoropeanina, hany ka lasa sahan’ady ny tany Afrikanina maro. Anisan’ny efa tafiditr’izany I Madagasikara, saingy tsy mbola misy endrika fipoahana, saingy mety ho loharan’izany io fifidianana io raha tsy voalamina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT