Krizy sarontsaronana seho ivelany

Miha mangotraka fipoahana sosialy…


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

amin’ny tapany Atsinanan’ny Nosy nandritra ny andro maromaro ny herinandro teo. Miharihary hatrany fa ny fihetsiketsehana sy ny seho ivelany no tena misongadina. Ezahina aseho fa miasa sy hiasa ny Fanjakana satria anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana moa izao. Porofo iray mivaingana ilay hoe: asa nambara fa hamboarina, nametrahana vato fototra 5 taona lasa dia ilay “voie rapide” mirefy 10km ao Toamasina nanaovana fihetsiketsehana be ny martsa 2019 no nambara fa tena hatomboka indray ny aprily 2024. Tany Analanjirofo indray, ao anaty antsapaka no hizarana velaran-tany mirefy 200m² avy hanorenana trano fonenana ireo tsara vintana tamin'ny an-tsapaka izay natao. Tonga dia milamina ara-taratasy, kanefa ny vahoaka Malagasy an-taonany mikarakara taratasin-tany sahirana tanteraka. Lasa tosika propagandy ny fomba fiasa, ka rehefa nangingina ny fizarana ilay jiro anaty baoritra volomboasary teo aloha teo, dia nifoha indray izany, ka toa entina hanambazana vahoaka. Ny kandidam-panjakana nisy nialokaloka tao an-damosin’ny filoham-pirenena nandritra ny diany tany Toamasina. Tany Fenoarivo Atsinanana aza, dia nanome toromarika an-kolaka hifidianana ny kandidam-panjakana mihitsy I Andry Rajoelina, raha niantso ny vahoaka hahay hifidy. Nambara fa misy ny mitsikera kanefa tsy mahavita na inona na inona. Akaiky ny fifidianana, hoy izy, ka fantatrareo ny tokony hataonareo, ka nilazany fa ireo olona afaka miaraka miasa aminy, fa tsy ireo mamadika na ireo hanao sakantsakana hanohintohina ny fampandrosoana. Sary efa nitranga ny tahaka izao tamin’ny 2019 izay iray andro nialohan’ny fifidianana I Andry Rajoelina no nanao fandaharana manokana nanome toromarika ankolaka hifidianana ny kandida ben’ny tanàna IRK teto Antananarivo. 5 taona aty aoriana, nanao ahoana ny vokatra? Nandroso sa nihemotra ny Renivohitra? Nanana ny maro an’isa ihany koa ny volomboasary tao Tsimbazaza, fa tena nisy fampandrosoana ve sa fihemorana? Niady ho an’ny vahoaka sa nitsikombakomba niaro ny tsy fahombiazan’ny fitondrana? Azo raisina ho fameriverezana saim-bahoaka ny fiantsoana olona hifidy ny mpiara-dia amin’ny fitondrana, raha tarafina amin’ny vokatra. Mandeha ny fihetsiketsehana amin’ny endriny, ka toa takonana amin’ireny ny endrika fipoahana maro samihafa miseho, toy ny delestazy sy fahatapahan-jiro mampikolay ny rehetra, raha tsy hilaza afatsy ny zava-miseho eto Antananarivo sy ny manodidina. Ireny niaraha-nahita ireny ny tranga tetsy Amboditsiry ny faran’ny herinandro teo, izay nandefasana emmo-reg saingy tsy niala mihitsy. Miakatra ny fahasosorana eny Fenoarivo. Ny any amin’ny faritra tsy misy tsy mikolay amin’ny haratsian-dàlana, ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana,… Ny fahasosorana politika mitombo taorian’ny fifidianana feno lonilony sy ny ho avy mbola mampanahy. Henjakenjana ny zava-misy, ary saro-pehezina, saingy tsy mba misy vahaolana maharitra sy mahomby fa dia fehezina amin’ny fanaitairana amin’ny fampanantenana na ampiasana hery amin’ny alalan’ny Emmo-reg. Dia mbola ny seho ivelany sy fanaitairana ny vahoaka amin’ny fihetsitsehana anaty fifidianana ve no haha marin-toerana ny Fitondrana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT