Politique

Krizy politika sy fifidianana Tonga indray ny SADC, inona no hitranga ?


  • Talata 25 Jolay 2023

Eto Madagasikara nanomboka ny sabotsy lasa teo ny iraky ny vondrona SADC (Southern African Development Community),

rafitra sy antanan-tohatra ara-paritra aty Afrika. Isan’ny mpikambana ao anatin’io SADC io Madagasikara. Hijery ny zava-misy sy ny tontolo politika mialohan'ny fifidianana izy ireo ary hihaona amin'ireo mpisehatra sy herivelona eto amin'ny firenena manomboka anio 24 jolay ka hatramin'ny 1 aogositra, ka tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina no nandraisana ireo antoko. Ny Miara-manonja sy ireo antoko politika efatra no nandalo teny amin'ny Hotel Colbert hatramin’ny omaly takariva. Vao miresaka SADC dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny toe-draharaha politika tsy dia milamina. Heverina fa tsy tongatonga ho azy ny dian’ireo eto Madagasikara mialohan’ny fifidianana, ka asa izay mety ho vokany. Tsy tongatonga ho azy fa misy iraka hampanaovina ny SADC ka miankina amin’ny fakan-kevitra no mety ho zotran’ny fanapahan-kevitra ara-politika eto. Handeha amin’izao endriny izao ve ohatra ny fifidianana sa hisy ny fitsimbadihan-drasa toy ny rafitra mpikarakara sy mpanomana, na endrika tetezamita toy ny governemanta na rafitra hitondra ny firenena mandritra ny fifidianana ? Raha ny firesaky ny aty amin’ny fanoherana mantsy, dia ny tsy fahatokisana ny rafitra samihafa miantsoroka ny fifidianana no isan’ny misongadina. Ho afaka mirotsaka ve ny rehetra sa hisy ny endrika « ni…ni… », toy ny tamin’ny 2013 ? Ny azo ambara dia manamafy ny fisian’ny krizy eto Madagasikara ny fahatongavan’ny SADC eto amintsika, ary vao miresaka an’io rafitra io dia asa fanelanalenana tahaka ny efa niseho teto teto tamin’ny andron’ny tetezamita taorian’ny raharaha fanonganam-panjakana 2009 no tsaroana. Tafiditra ao anatin’ilay fandaminana miainga amin’ny antanan-tohatra na “principe de subsidiarité” io rehefa zohiana ka ny SADC no rafitra misy antsika aorian’ny COI na Kaomisionin’ny Ranomasina Indianina ka ao aloha no hamahana ny olana, rehefa tsy milamina eo dia mety miakatra Vondrona Afrikanina, ary mety ho tonga hatrany amin’ny Firenena Mikambana rehefa tena henjana ny toe-draharaha,... Ho an’ny any Afrika Andrefana ohatra, rehefa misy rotaka na savorovoro na toe-draharaha mafana dia miditra avy hatrany CEDEAO (Communauté Economique des Etats d'Afrique de l'Ouest) tahaka ny sakoroka niseho tany Mali, Burkina Faso,… Efa midika zavatra ara-politika ny fahatongavan’ny SADC eto ka asa inona no mety ho vokany? Hiandry vazaha sy Afrikanina lava eto ve isika fa tsy mba hahay hifandamina sy hifanaja? Aiza ilay resaka fiandrianam-pirenena dradradradraina lava ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT