Politique

Krizy politika nampizara fiarahamonina Tonga ny fotoana ialana amin’ny fifanandrinana


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2023

Nahery vaika ary nisarika tamin’ny fakana fahefana teny an-dalambe mihitsy ny fifanandrinana teo amin’ny Amiraly Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana ny taona 2002.

Nilaza ho efa nifamela moa ny roa tonta taty aoriana. Ny Amiraly rahateo moa efa lasan-ko razana. Nisy voaroba fananana tamin’ireny fotoana ireny, voatery nanao sesitany ny tenany, tratry ny hazalambon’ny zanadambo sy ny hafa maro tsy voatanisa. Fery efa tena nikatona tokoa ve? Tonga indray taty aoriana ny fanonganam-panjakana, araka ny namaritan’ny sehatra iraisampirenena maro azy, ny taona 2009.
TSY METY MIFAMELA
Nanomboka lasa mpifanandrina ara-politika tsy mety mifamela mahazo hatramin’izao ny filoham-pirenena ankehitriny, izay ben’ny tanànan’Antananarivo no lasa filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana, Andry Rajoelina, sy ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. 14 taona izay no nibahanan’ireo ny sehatra politika teto Madagasikara, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Nisy voaroba sy may fananana koa tamin’ireny fotoana ireny ary tsy mpanao politika ihany fa hatramin’ireo mpandraharaha heverina ho mbola madinika koa aza. May ny orinasa Tiko sy Magro tamina faritra maro teto amin’ny nosy izay an’ny filoham-pirenena tamin’izany hatrany. Voatery nandeha nanao sesitany ny tenany tany Afrika atsimo indray ny lehilahy sy ny fianakaviany. Nolazain’ny mpiaradia tamin’ity farany fa “foza” satria hoe miverina any amin’ny fahantrana ny mpiaradia tamin’ny filohan’ny tetezamita na HAT tamin’ny fotoan’androny. Tsy nety nilamina ny krizy politika teto amin’ny firenena taorian’ny fipoahan’ny 29 janoary 2009 na ny “alatsinainy mainty” sy ny raharaha 7 febroary 2009. 4 taona nitakiana ny fiverenan’ny “dadany” teo amin’ny Magro Behoririka ny mpiaradia tamin’ny filoham-pirenena teo aloha izay sesitany tao Afrika atsimo tamin’izany, Marc Ravalomanana. Ny tsy famelana ireo mpifanandrina ara-politika miisa 2 Ravalomanana sy Rajoelina na “ni… ni” no vahaolana nomen’ny fianakaviambe iraisampirenena ary dia resy ny kandida natolotry ny firehena na “mouvance” Ravalomanana. Tonga ny 2018. Efa tafaverina teto an-tanindrazana ny filoham-pirenena nanao sesitanin’ny tenany ary raikitra ihany no niafarany ny fifanandrinana Ravalomanana - Rajoelina tamin’ny alalan’ny fifidianana. Mbola resy indray ny kandida Ravalomanana ary dia noraketin’ny mpiaradia tamin’itsy farany ho “resy lava” izy sy ny mpiaradia aminy. Mandra-pahoviana izany hivoy fifandrangitana amin’ny fitenenana lava hoe “ianareo foza” na “ianareo resy lava”?
FAMPIHAVANANA
Hahasoa ny firenena sy hitondra firaisankina hanarenana ity firenena ity ve izany raha toa ka io efa hita io fa filentehan’ny firenena anaty fahantrana lalina no vokany hatramin’izao? Heverina fa tonga ny fotoana ialana amin’izany fifanandrinana nampizara fiarahamonina sy namotika firenena izany. Tonga ny fotoana hampihavanana antsika amin’ny tantaran’ity Madagasikara ity mihitsy, hoy ny vovonana politika Firaisankinan’ny Tia tanindrazana fa tsy ny azy mirahalahy ireo ihany. Malagasy rehetra mihavana no tanjona, hoy hatrany ny vovonana.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT