Politique

Krizy politika Governemanta iraisan’ny rehetra no tena vahaolana


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa ny fananganana governemanta iraisan’ny rehetra ihany no tena vahaolana, aorian’ny fandrodanana ny governemanta misy amin’izao fotoana.

Toraka izany koa ny fanoloana ireo tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena manomboka eny anivon’ny fokontany ka hatreny amin’ny andrim-panjakana, indrindra ireo mpikarakara ny fifidianana mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara takian’ny rehetra. Tsy vahaolana intsony ny fitondrana tetezamita, hoy izy satria anisan’ny tena nampahory vahoaka teto amintsika izy io sy ny fanonganam-panjakana. Miantso ny tsy hihemorana fa tokony hirosoan’ny rehetra  hatrany amin’ny lalana mankany amin’ny fifidianana ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy. Mikasika ny tolom-bahoaka etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey dia tsy manohitra ny tenany saingy tsy ekeny kosa hevi-dison’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy ny amin’ny hanalana amin’ny toerany ny filoha. Tsy miandany velively na amin’iza na amin’iza ny tenako raha milaza an’izany saingy mijery manokana ny tombontsoam-bahoaka kosa amin’ny maha mpikarakara ny sosialim-bahoaka anay, hoy izy.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT