Politique

Krizy politika Fifampiresahana ihany no vahaolana, hoy ny MFM


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Tokony mifampiresaka ireo depiote rehetra voafidim-bahoaka satria izy ireo no voafidim-bahoaka hampanjaka ny demokrasia, hoy ny fanehoan-kevitry ny antoko MFM tamin’ny alalan’ny filohany Mandafy Rakotonirina omaly.


Tsy ilaina ny fangatahan'izy ireo fivoriana tsy ara-potoana, fa mandritra ny fivoriana ara-potoana manomboka amin’ny 1 mey, dia afaka mifampidinika izy ireo. Raha tsy mety hifandamina dia afaka ravaina ny antenimieram-pirenena satria izany dia hita ao anatin'ny lalàmpanorenana, ka miroso amin’ny fifidianana depiote vaovao kosa 2 na 3 volana aorian'izay izany hoe ny fifidianana depiote mialohan’ny fotoana na « élection législative anticipée », hoy hatrany i Manandafy Rakotonirina. Fanonganam-panjakana tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena no nataon'ny depiote teny amin’ny 13 mey. Filam-boatsiary ilay hoe aleo miala i Hery Rajaonarimampianina, tsy misy dikany ny fanesorana azy satria raha hilatsaka izy amin’ny fifidianana manaraka, dia tsy maintsy hanala tena ihany, sa ve izy tsy avela hirotsaka? hoy i Manandafy Rakotonirina.  Nilaza kosa ny loholona Olivier Rakotovazaha, fa manaraka ny lalàmpanorenana ny lalàna fehizoro miisa 3 momba ny fifidianana. Ny “bulletin n°2”, hoy izy, dia efa tao anatin’ny lalàna rehetra indrindra fa ny tamin’ny 2013, saingy ny HCC, fa amin’ity indray mitoraka ity, dia nampidirina ao anatin’ny taratasy entina mirotsaka. Momba ny hetra, dia ny olona tsy mandoa hetra ve dia azo ekena hitondra firenena satria volam-bahoaka ny hetra. Notsiahiviny ilay filazan’ny praiminisitra hoe ny 80% amin’ny lalàna nisy teo aloha no mbola tafiditra ao anatin'ny lalam-pifidianana vaovao , 20% no vaovao. Misy hevitra diso voizin'ny olona, saingy ho azy ireo, dia tsy misy ny lalàna manakana na iza na iza tsy hirotsaka fa afaka mirotsaka daholo ny rehetra rehefa mahafeno ny fepetra, hoy hatrany i Olivier Rakotovazaha.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT