Politique

Krizy miverimberina Tarazon’ny «OUI M'SE, OUI M'SE»


  • Zoma 14 Oktobra 2011

Mitarika adihevitra vaovao ny fampiharana ilay sori-dalana nosoniavina tamin'ny 17 septambra lasa teo.

 Mampametra-panontaniana ny maro hoe : ahoana ny fenitra araka ny lalàna hampiharana azy iny ? Tsy mahasolo lalàmpanorenana velively mantsy ny sori-dalana na tondrozotra. Ny olana anefa dia efa nandrava ny parlemanta nisy ny Depiote sy Loholona voafidim-bahoaka ny FAT tarihan'i Andry Rajoelina, no efa nanao fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana lalàmpanorenana vaovao koa tamin'ny 17 novambra 2010. Ilay andininy faha-30 ao amin'ny sori-dalana anefa dia milaza fa manafoana ny fifanarahana sy zavatra rehetra natao tany aloha ny sori-dalana, izany hoe foana tahaka ny tsy misy ny fifanarahana tany Maputo, Addis Abeba, sy ny tamin'ny fifanarahana politika teny Ivato tamin'ny herintaona sy ny tapaka tamin'ny Fihaonambem-pirenena sy ny Dinika Santatra. Raha mbola io andininy faha-30 io ihany koa no jerena dia tsy manan-kery koa ilay lalàmpanorenana lany tamin'ny 17 novambra 2010 satria fanapahan-kevitra noraisin'ny FAT nanjakan'ny ankolafy Rajoelina tao anatin'ny tetezamita no nanaovana an'iny.

Olana iray goavana izany ary efa maro ny mpanao politika sy manampahaizana amin'ny sehatry ny lalàna no efa nilaza ny ahiahiny amin'io. Tsy mazava mihitsy hatramin'izay ka hatramin'izao ny «cadre juridique» hiasan'ny FAT. Ny lalàmpanorenana velona sy manan-kery ao aminy no fototra mampandeha sy mampihodina ny firenena iray, izay no maha lalàna fototra azy. Teto Madagasikara anefa dia ovaina na ahitsy isaky ny mihetsika io lalàmpanorenana io ary samy maika nikitika an'io avokoa ny mpitondra rehetra. Nambara hatramin'izay fa natao hanamafy ny fahefan'ny mpitondra ny lalàmpanorenana.

Nifidy an-jambany fotsiny ve izany ny vahoaka fa tsy nahalala, na tsy nampahalalaina tsara ilay lalampanorenana ? Sa efa fomba fanao eto ny manaiky fotsiny izay ambaran'ny mpitarika ? Raha efa mihatra indray ilay lalàna fototra, nahoana no tsy nanao tsara ny asany araka ny tokony ho izy ireo olomboafidy fa nanara-drenirano fotsiny ka dia «OUI M'SE OUI M'SE» avokoa izay mivoaka rehetra ? Ny mpanohitra koa moa tsy tena nifantoka any amin'ny fanehoan-kevitra politika hanatsarana ny fomba fiasa sy hanabeazana ny vahoaka fa nandany andro nanaratsy ny mpitondra sy nitsikera fotsiny ny fiainany, ka ny tena tanjona dia ny hanongam-panjakana aloha, dia ho hita eo ihany ny tohiny rehefa tafiditra ao an-dapa. Ny tiana ambara dia be loatra ny tsy fetezan-javatra sy fahasamponan'ny rafi-pitantanana teto, ary samy tompon'andraikitra amin'izany ny rehetra fa tsy misy na iray aza afaka hiteny fa hoe madio tsy misy pentina izy. Raha tena andron'ny fanovana tokoa izao dia tokony hahay hiresaka sy hifanaraka ireo mpanao politika ka hitady ny fomba hanavotana ity firenena ity. Tokony hijanona ho fomba fiasa fotsiny ny resaka ankolafy sy vondrona fa tsy hoentina mandrakizay ka sanatria hampitombo ny fizarazaran'i Madagasikara izay efa natomboky ny mpanjanatany, 150 taona lasa izay.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT