Mihamizotra mankany amin’ny krizy hatrany i Madagasikara. Ny eo tsy voavaha, ny hafa misosoka ihany. Ny krizy politika aterak’ity lalam-pifidianana ahemotra lava ity manginy fotsiny.
Fa ny ho loza dia ny olana ara-bola sy ara-toekarena ateraky ny fizirizirin’ny krizy misy eto. Efa fantatra ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola ny fitondrana HVM ary efa tena mihihitra ry zareo manome ny famatsiam-bola. Izany no mahatonga ny fanomezana vola mitsitaitaika ary farany io tsy hisy intsony raha izao no mitohy. Ny mpampiasa vola aza moa mitsoaka tsikelikely noho ny fitakiam-bola mihoapampana ataon’ny fanjakana azy ireo. Lasa mangoron’entana moramora ireo sinoa izay tena mazoto manao fandraharahana eto Madagasikara. Manoloana izany dia hihena ny tahirin’ny banky foibe satria tsy miditra ny vola vahiny. Ny fidanganam-bidin’ny vokatra eto an-toerana tsy lazaina intsony. Ny vola miditra amin’ny paosin’ny Malagasy tsy miova, mainka aza mihena kanefa ny vola mivoaka lasa mitombo noho ny fisondrotam-bidim-piainana. Ho loza no aterak’izany rehetra izany satria dia ho potika tanteraka ny toekarena Malagasy. Ho moramora amin’i Madagasikara ny haka ny toeran’ny gisitra amin’ny laharana maneran-tany ary efa mirona mankany mihitsy isika.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.