Krizy mivaivay

Ny ao an-dapa ihany no hipoaka…


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

Tsy takona afenina ny fahasahiranan’izao fitondràna izao mamoaka ny firenena anaty krizy lalina mianjady aminy,

izay niandoha tamin’ny fanonganam-panjakàna 2009, ankehitriny. Ny tranga mamoahenatra na «scandale» nifanohy niaraha-nahita tao anatin’izay 7 taona mahery izay fotsiny dia nahitàna ireo samy niainga tamin’ny revolisionina volomboasary tamin’izany ihany ho mifanenjika hatreny amin’ny tambazotran-tserasera teny. Ny mbola mitondra mifanjinja resaka amin’ny avy nitondra mihitsy ary mampiasa voambolana an-katezerana toy ny hoe «tsy vanona» mihitsy aza moa ny sasany. Tsy hiresaka afa-tsy ny tsy fifankahazoana miseho lany eo amin’ny depiote Mapar teo aloha, Paulbert Ramasimanana na Rossy, sy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny masoivoho malagasy any Chine, Rinah Rakotomanga, isika. Ity farany ihany koa no nanenjika fatratra ny minisitry ny fitaterana teo aloha, fony izany minisitra izany am-perinasa, tamin’ilay raharaha «Triple 7» farany teo. Ny minisitra sasany tsy misalasala mandiso ny fanehoan-kevitra nataona governora sasany. Tonga amin’ilay fomba fitenin’ny tanora ankehitriny hoe «Mifanaraha tsara aloha ianareo!». Isaky ny misy fitokanana fotodrafitrasa ataon’ity fitondràna ity moa dia maro hatrany ireo mpanara-baovao mahatsikaritra sy manontany hoe «toa tsy hita ilay tomponandraikitra tahaka izao na tahaka izao?». Toy izany koa ny hoe «Ranona toa tsy tazana intsony?» na hoe «Fa maninona ny kabaran’ny filoham-pirenena izay vakiany no misy diso tsipelina na tarehimarika diso na tantara diso sy ny tahaka izany hatrany? Iza no tena mpanipy hoditra akondro ny filoha?». Tsy vitan’izany rehetra izany fa efa ela no teny am-bavan’ireo mpanohana izao fitondràna izao sasany ny fiarovana be fahatany ny filoham-pirenena manao hoe «Tsy ny filoham-pirenena no ratsy fa ny manodidina azy?».
KRIZY LALINA…
Mazava be izany fa itangoronana mpanohariana na hoe «parasite» ny filoham-pirenena ankehitriny amin’izao fitantanany ny fireneny izao kanefa dia mbola misy mpanohana ny fitondràna sasany sahy milaza ihany fa tsy anaty krizim-pitantanana ilay fitondràna ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Raha mandeha araka ny tokony ho izy ary ny fitantanana ity firenena ity, maninona no taraiky 5 taona mahery be izao ny ankamaroan’ny tetikasan’ilay fitondràna ary ny ankamaroany aza zara fa vita, raha tsy hilaza afa-tsy ny tetikasa Miami izay notsotsorina taty aoriana fa «Miray hina sy mifankatia» no dikany? Nisy naheno an’izany fanalavàna izany ve tany amin’ny propagandy fa tsy ilay hoe Miami tahaka ny any Etazonia no nidradradradraina? Tena tahaka an’io ve ny drafitra na «Plan» hoe hanaovana izany Kianja Barea izany? Aiza ny Tanamasoandro sy ny Flyover nampanantenaina tamin’ny fotoam-piasàna voalohany? Sarotra, noho izany, ny tsy hahita fa efa miseho lany sy miha mangotraka ankehitriny ny krizy anatin’ity fitondràna ity ary ny ao an-dapa ihany no hipoaka fa tsy ny avy amin’ny mpanohitra lazainy efa reraka na ny an’ireo mpandraharaha izay hita ho efa reraka ihany koa manoloana ny tsy fahafahan’ny mihary araka ny tokony ho izy noho ireo karazan-ketra mavesatra takiana aminy, ny olan’ny JIRAMA ary mbola miampy ity tataon-ketra na TVA 20% eny amin’ny banky ity ihany koa. Tsy ny vahoaka ihany koa, mazava ho azy, no hanapoaka izay krizy izay satria ireo no tena reraka indrindra amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, ny JIRAMA, ny fidiran’ny mpianatra miha manahirana, ny tsy fandriampahalemana sy ny tariny rehetra. Rerak’ireo tolona maro nahavoafitaka azy hatramin’izao hatramin’ny taona 1947, 1972, 1991, 2002, 2009, 2018.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT