Krizy ara-pahasalamana, faty olona maro

Fanamarinan-tena aloha vao ny aim-bahoaka...


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

Mbola mitana ny sain'ny maro hatrany ny raharaha Ambohimalaza.

Tafakatra 31 ny maty izay saika mbola tanora vao erotrerony avokoa hatrany ireo namoy ny ainy herinandro teo. Hatreto, ny fanizingizinana hoe: "fanapoizinana niniana natao", "tsy botulisme" no tena mahaseriny ny Fanjakana fa ny ain'olona tsy voaaro. Raha 50 teo no voalaza fa noraisina an-tanana, 30 mahery no maty izany hoe: ny 60% tamin'ireo lasibatra namoy ny ainy avokoa. Midika fa tsy mahomby ny fitsaboana na ekena aza fa mety miezaka ny mpitsabo. Ny tsy azo lavina, tsy mahomby ny Fanjakana, tsy voaavotra ny ain'ny ankamaroan'ireo marary fa sanatria ankinina amin'ny vintana sy ny anjara. Aim-bahoaka no resaka eto. Ny fanefitry ny lazaina fa tsaho sy fanakorontanana dia ny filazana ny marina tsy azo hozongozonina sy fisiana vokatra mahomby amin'ny fanavotana aim-bahoaka, saingy tsy izay aloha no mitranga fa toa ady ara-tserasera na "guerre de communication" hilazana fa tsy botulisme. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny hoe : inona no antoka mba tsy hisy aina hafoy intsony ? Ny zavatra tsapa, toa zary miorina kokoa amin’ny politika fa tsy teknika ny fitondrana ny raharaha. Inona no mahasamihafa ny tranga teto Antananarivo sy tany Ambositra, Mahajanga, Toliara,... ? Tsy afaka hanizingizina ny rehetra fa "botulisme" saingy tsy afaka hitompo teny fantatra ihany koa ny Fanjakana fa tsy "botulisme" fa miainga amin'ny fitiliana ara-tsiantifika kanefa tsy feno io na tsy natao, fa resaka bontolo fotsiny. Ahoana tokoa moa no ahafahana milaza fa tsy botulisme raha ny laboratoara nampanovina ny fitsirihana aza voalaza fa tsy manana ny fenitra afaka hitsirika an'izany? Resahana ny hoe : fianankaviana efa nisy lonilony dia nifanampoizina no antony, izay mety hitombina kanefa ilay lazaina fa dadarabe nakana ny poizina ve tsy manana ny fanefitra na « antidote » ? Mbola manitikitika hatrany hoe: sanatria ve te hanarontsarona ny Fanjakana fa raha trangana botulisme dia tompon'andraikitra tsy afa-miala noho ny: delestazy mitera-doza satria tapaka ny "chaîne de froid" na fitohizan'ny hatsiaka amin'ny fitehirizana sakafo ka mety hampivadika azy, tsy voaaro ny Malagasy manoloana ny sakafo mampidi-doza miparitaka sy gaboraraka,... ? Mifankaiza amin'izany moa ny nilazana fa tsaho sy Photoshop ny tranga tany Ikongo kanefa avy eo misy tatitra ofisialy maneho fa an-jatony matin'ny odimoka?
TSY MANANA FANAFODY RAHA TOA KA MISY "BOTULISME"...
Hatreto, voalaza fa tsy manana "sérum antibotulique" ny hopitaly malagasy; Tsy afaka manome fitsaboana manokana ny mpitsabo raha tsy misy fanambarana ofisialy momba ny "botulisme"; Tsy manana laboratoara afaka mamantatra ny "toxine botulinique" i Madagasikara, kanefa ny fitsirihana tany ivelany tsy tonga volana. Tsy ampy ny fitaovana ara-pitsaboana sy fitsirihana ara-tsiantifika; Tsy ampy ny fahavononana ara-politika hamoaka fanazavana maharesy lahatra vahoaka. Ny tranga tamin’ny ankampobeny tsy teto Antananarivo fa nanerana ny Faritra dia toa misy petra-kevitra manamarina ny fahapoizinana ara-tsakafo na « intoxication alimentaire » ka tsy azo hamaivanina ny fisiana « botulisme ». Raha misy tranga voamarina, dia mila mangataka fanampiana avy amin’ny OMS na laboratoara iraisam-pirenena ny firenena, saingy raha raisina tamin'ireo tatitra sy vaovao iraisam-pirenena dia tena tsy nisy fanadihadiana ara-tsiantifika mazava natao ahafahana miteny fa tsy botulisme na izy, saingy misy ireo mpitsabo maneho fa ahiana ho io aretina io raha ny fisehon'ny fambara (fanina, manjavozavo ny fijery, sempotra,...) Raha manambara tranga botulisme ny governemanta, dia mety hanome serum antibotulique ny OMS. Ny marary amin’izao fotoana izao, raha voapoizina noho ny botulisme, dia mety ho afaka vonjena. Tsy finiavana hitsikera be fahatany fa tena mahonena ny zava-nitranga, nodimandry tsikelikely ny ankamaroan'ireo olona, tsy mahomby ny fitsaboana sy fanavotana na misy aza ny ezaky ny mpitsabo,... kanefa toa tsy rototra ny Fanjakana na dia efa hamehana goavana ara-pahasalamana aza no mitranga. Afaka mipetraka eo amin'ny toeran'ny fianakaviana namoy havana sy manana marary ve ny mpitondra eo anatrehan'ny zava-mitranga?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT