Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Toy ny terena handroso amina fiakarana miafara amina hantsana isika io!»


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Mijery isika hoe toa sahirankirana ihany ny fitondram-panjakana mitady

olona hiara-hiasa aminy etsy sy eroa, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana? Betsaka ireo mitady seza amin’izao fotoana izao ary toe-tsaina malagasy mahavoa antsika moa izay hoe rehefa manohana dia mila seza izay, hoy izy. Tsy azo terena ny fampandrosoana sy fandrosoana. Alaivo sary an-tsaina hoe misy fiakarana iray dia atosika hiakatra any ilay olona na isika vahoaka! Tonga eny an-tampony nefa dia hantsana no ao saingy terena hoe mirosoa ihany! Milatsaka anaty lavaka no hiafarany ka raha mba misy sendra tafajanona eny an-tampony indrindra dia ireny sisa izany no afaka mandroso. Toy ny terena handroso amina fiakarana miafara amina hantsana isika io izany! Mahafaty izany. Mila miverina isika no dikan’izany. Izay ilay hoe miverina ifotony. Manao ahoana marina i Madagasikara? Inona marina no tena ilain’ny olona eto? Raha tiana handroso haingana i Madagasikara dia tsotra ihany. Voalohany, ny fandriampahalemana. Faharoa, fampandrosoana ny tantsaha, izay 80%n’ny mponina eto Madagasikara. Tsy tokony hanafatra vary izany isika, raha ny tena marina. Mila manamboatra stratejia. Amboarina ny tohadrano rehetra, ny lakandrano rehetra, ny tanimbary karakaraina ho mamokatra kokoa. Ny fanafarana dia manabe vahoaka hangataka fa ny famokarana sy famoronana asa no hanala miandalana ny fahasahiranan’ny fanjakana, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT