Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Ny firenena matoky an’Andriamanitra no tahiany!»


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Manantena fihatsaràna isaky ny misy fanovàna ny vahoaka malagasy

hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Raha ny mikasika ny resaka fanovàna governemanta, hoy izy, dia tsy dia vahaolana izany. Ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay no andrasana. Raha tena tia tanindrazana isika, tia mampandroso marina an’i Madagasikara, dia mila mankany ny fisainana hoe ahoana marina no hampandrosoana an’ity Madagasikara ity? Ahoana no hifampifehezana eto amin’ity nosy ity? Na hiova im-polo na in-jato aza ny governemanta dia lasa fanangonan-karena fotsiny. Tokony ho ambany lalàna daholo ny olona tsirairay avy. Rehefa tsy mahavita azy ny governemanta iray dia tsy nandray ny andraikiny izy izay. Ny fahatongavan-tsaina voalohany dia ny fahatahorana an’Andriamanitra. Tsy ny tranobe na ny harem-be voahangona heverinao fa ho lovain’ny taranakao no hampiadana anao. Raha tamin’ny fomba tsy ara-dalàna no nahazoanao an’izany ary tsy milamina ny taninao dia ho esorina aminao na hatramin’ny kely anananao, hoy ny tenin’Andriamanitra. Ny fahamarinana sy ny rariny sy ny hitsiny ihany no mampaharitra. Ny fahatokisanao an’Andriamanitra no hitahina anao sy ny ankohonanao, hoy ny voasoratra. Voataha miaraka amin’izany koa ny firenena iasànao. Ny firenena matoky an’Andriamanitra no tahiany, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT