Kristianina mandinika raharaham-pirenena

“Mila miheritreritra isika dieny mbola tsy tara!”


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Ilaina ny fanehoan-kevitra hahafahan’ny rehetra mandinika sy misafidy ny tokony ho lalan-kalehany,

hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, amin’izao raharaham-pirenena misafotofoto izao. Tsy hitan’ny olona intsony izay marina hoe andeha sa tsy andeha ity fifidianana ity, hoy izy? Zava-dehibe amiko io fihaonan’ireo kandida amin’ny vahoaka eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina io. Efa tsy mandeha amin’ny laoniny daholo ny zava-misy eto Madagasikara. Voahitsakitsaka ny lalàmpanorenana. Niady ho an’ny fahaleovantena ireo razambe ny taona 1947. Izao anefa mbola tsy azo ireo nosy manodidina ary aza manantena ahazo izany raha mbola frantsay no mitondra. Mila ianarantsika mihitsy aloha hoe avy aiza marina ity malagasy ity. Izay olona avy any ivelany rehetra ve ka mahay teny malagasy atsy ho atsy dia afaka hanjakazaka amin’ny harena an-kibon’ny tanintsika sy rehefa mety ho harem-pirenena eto? Tena hikatsaka fahaleovantena ve isika sa hiverina amin’ny fanagejana? Mila miheritreritra isika dieny mbola tsy tara! Maika ny fampihavanam-pirenena izay tarihin’ireo Ampanjaka taranaka mpitolona. Vita 1 andro sy tsy mila volabe izany raha tena ho atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT