Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Lasa resin’ny vola ny demokrasia eto Madagasikara»


  • Talata 16 Aprily 2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

ankehitriny, raha ny hita, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Tokony halalaka ny rehetra, hoy izy. Avelao ny vahoaka no hitsara! Mila mandinika tsara ny fitondrana ankehitriny satria lasa manaratsy ny fitondrana ny zava-miseho. Atsaharo ny fanomezana etsy sy eroa satria mitaiza ny vahoaka hijanona anaty fahantrana ny fizarana manome azy lava! Asa sy filaminana izao no andrasan’ny vahoaka. Aleo hilatsaka izay te hilatsaka. Raha tsy manam-bola izany ankehitriny dia tsy afa-milatsaka intsony. Lasa resin’ny vola ny demokrasia eto Madagasikara. Izay manam-bola ihany no afaka milatsaka nefa misy manan-tsaina sy tena te hampandroso an’i Madagasikara, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT