Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Asa maharitra izao no ilain’ny malagasy»


  • Zoma 25 Aprily 2025

Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina

mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Nesorina ireo mpatory an-dalana na 4-Mi, hoy izy, ary nambara fa ho raisina an-tanana ny momba azy ireny. Ny zava-dehibe tsy hoe ny fanomezana trano ho azy ireo fotsiny satria raha izay dia mbola hijanona 4-Mi ihany izy. Asa maharitra izao no ilain’ny malagasy. Tsy hoe hanadio tatatra androany dia mahazo ilay 10.000 Ariary IMMO na 20.000 Ariary. Asa maharitra izao no ilàna fotodrafitrasa. Fotodrafitrasa ilaina voalohany ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Ambanivohitra mandroso, tanàna milamina, lalàna enjana, ilaina izany. Rehefa misy asa eny ambanivohitra dia azo atao tsara ny mamerina ireny mpatory an-dalana ireny any. Rehefa miaraka amin’ny olona miasa ireo dia miasa fa tsy mangalatra na mirenireny intsony. Ny olona miasa dia sarotiny amin’ny fananany, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT