Politique

Kristianina mandinika raharaham-pirenena


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Aleo ferana 3 na 4 volana ny tetezamita»

Tsy milamina ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ankehitriny, indrindra, ny mikasika ny fanomanana fifidianana, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Miverina ombieny, hoy izy, ny hoe diso anarana any anaty lisitry ny mpifidy na tsy ao mihitsy nefa nisoratra anarana. Mila fiomanana tanteraka izany rehetra izany ary manainga ny vahoaka hanamarina tsara ny anarany. Hita ho tsy ho ampy mihitsy ny fotoana raha izao fandehany izao. Mety hiafara amin’ny tetezamita ihany. Raha izay anefa no mahasoa sy mampangarahara, indrindra, izany fifidianana izany dia aleo atao fa ferana ho 3 na 4 volana ihany handaminana ny zavatra rehetra hampandeha araka ny tokony ho izy ilay fifidianana. Aoka izay ny fihatsaram-belatsihy sy adiady politika fa izay hahasoa sy hampandroso ny firenena no andeha katsahina. Aleo andeha aloha ny fifidianana filoham-pokontany mba tsy hisian’ny hoe Ranona no nanendry an’iry na Ranona no nanendry an’iry! Mbola tsy fantatra izao na ny daty hanaovana ny fifidianana aza. Mbola tsy mazava ny tetibola entina manatontosa ilay fifidianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT