Kristianina manao politika

“Ho tonga amin’ny loza fara-tampony ve ity firenena ity?”


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Mampatahotra hoe ho tonga amin’ny loza fara-tampony ve sanatrian’izany ity firenena ity

raha izao no fandehan’ny toe-draharaha, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika? Ny miaraka amin’Andriamanitra aloha no zava-dehibe indrindra, hoy ny filohan’izy ireo, Eliace Ralaiarimanana. Tsy mitsahatra ny mivavaka ho an’izao firenena izao izahay mba tsy ho sanatria hisian’izany adin’ny samy sivily izany eto Madagasikara. Manana tanjona hametraka tantara tsara ho an’ity firenena ity ny Kristianina manao politika. Marobe ireo mpanakarena hitan’ny masoko. Nametraka lova lehibe ny raiamandreniny. Ady be tsy nifankahitana avy eo ny an’ireo mpandova rehefa maty ilay mpanankarena. Hametraka tantara ho lovain’ny taranaka fara-mandimby no aoka atao tanjona! Ohatra hoe tsy hanangon-karena toy ireo mpanao politika rehetra ireo fa hanala an’i Madagasikara anaty fahantrana, kolikoly, fanjanahana an-kolaka tahaka izao mitranga izao, hoy hatrany ny antoko politika Kristianina manao politika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT