Kristianina manao politika

Heroda dia israelianina nanana zom-pirenena romanina”


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Tanteraka eto amin’ny firenena ankehitriny ny tenin’Andriamanitra hoe

Izay misaraka amiko tsy mahefa na inona na inona”, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika, tetsy amin’ny Motel Anosy omaly. Hitantsika, hoy ny filohan’ity antoko ity, Eliace Ralaiarimanana, ny zava-misy. Ny fako tsy voaroaka, hoy izy. Ny lalana potika. Manjaka ny tsy fandriampahalemana. Mamono ny olona ny tsy marina rehetra. Nampanantena ny vahoaka malagasy aho fa ny 19 janoary 2024 no tapitra ny fahefana eo am-pelantanan’andriamatoa Andry Rajoelina. Tsy nisy fifidianana neken’ny rehetra teto. Tsy nisy fotoam-piasana izany aloha fa ny fotoam-piasana teo aloha no ho tapitra amin’ny 19 janoary. Zavatra natao bontolo sy ankeriny ny ankoatran’izay. Efa miasa Andriamanitra io. Ny hazo tsara hoy ny tenin’Andriamanitra no mamoa voa tsara. Niaraha-nahita fa izao fitondrana izao dia tsy nampiasa Baiboly raha nanao fianianana tamin’ny 2019. Toy izany koa tamin’ity. Nataony tafiditra tao an-tsain’ny vahoaka fa izy ilay satanika saingy efa tafiditra moa ny vahoaka dia tsy afa-manoatra. Tsy mbola namitaka ahy ny Andriamanitra ivavahako. Mety hiteny ianareo fa tsy tanteraka ilay hoe mpanao politika ho moana, ohatra. Misy mpanao politika tena tsy afa-miteny intsony eto. Misy jamba koa eto fa manana fitaovana hanalebiazana ny zavatra bitika efa tsy hitany intsony izy. Tsy matahotra enjehina aho! Efa voasoratra anaty tenin’Andriamanitra daholo izao. Heroda dia israelianina nanana zom-pirenena romanina. Io zom-pirenena romanina io no namoretany ny mpiray tanindrazana aminy. Toy izany no zava-misy eto ankehitriny. Tonga Jesosy, zanak’Andriamanitra fa tsy Eliace akory, dia nihorohoro i Heroda. Tonga kosa Eliace, izay irak’Andriamanitra ankehitriny, hanavotra ny malagasy manoloana izao zava-misy izao. Efa vitan’i Jesoa Kristy ny sorona rehetra ary tapitra tamin’iny. Tamin’ny fakan’izao tontolo izao fahefana no nisy rà latsaka rehefa haka fahefana fa ankehitriny efa Kristianina manao politika, hoy hatrany ny antoko.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT