Kristianina manao politika

“Hanafaka ny firenena no tanjona,


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

tsy misy matahotra devoly eto!” Betsaka sy tena maro ianareo no miantso ary

manotany anay hoe aiza izahay manoloana ny zava-misy fa izao no fotoana tena ilàna anay, hoy ny antoko politika, Kristianina manao politika. Tiako ny mitondra fanazavana amintsika androany, hoy ny filohan’izy ireo, Eliace Ralaiarimanana, fa henoko sy hitako avokoa ireny antsoantso ireny saingy mbola mijery tsara izahay hoe tena tolona hahasoa ny vahoaka malagasy tokoa ve ilay izy sa mbola tolona ho an’ny fitiavan-tena an'olombitsy? Raha toa ka tsy miroso amin'ny fampihelezankevitra ireto kandida miisa 11 ireto dia ho avy izahay hanamafy ny tolona ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy iraimanontolo. Hanafaka ny firenena, hanarina ny fiainam-bahoaka no tanjona ka tsy misy matahotra devoly eto ary devoly tsy maharesy ny irak'Andriamanitra, hoy hatrany ny Kristianina manao politika! J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT