Politique

Kotomanantsoa Rémi “Tsaho ny filazana miely fa rava ny Rodobe”


  • Alarobia 02 Novambra 2011

Nifamory tao an-tranon’i Kotomanantsoa Rémi, filohan’ny Rodobe Toamasina ireo fikambanana sy ankolafy mandrafitra azy ny tolakandron’ny alatsinainy 31 oktobra teo.

 Nandritra izany no nitondran’i Kotomanantsoa Rémi (ankolafy Zafy), izay vao avy niatrika fivoriana teto Antananarivo, fanazavana fa “tsaho avokoa ny resaka iniana aely ankehitriny fa rava ny Rodobe. Tsy hisaraka ny mpiara-dia amin’ny Rodobe Toamasina sy nasionaly, raha tsy efa tratra ny tanjona dia ny famoahana ny gadra politika rehetra ny taona 2009 – 2011, indrindra fa ny fiverenana an-tanindrazana ireo sesitany politika mbola any ivelany hatramin’izao, anisan’izany Ravalomanana sy Ratsiraka ary ny fianakavian’izy ireo avy”. Nambaran’Atoa Kotomanantsoa Rémi koa fa “fitondrana maro izay niainga tamin’ny filoha Zafy, nandalo ny filoha Ratsiraka ary mbola notazonin’ny filoha Ravalomanana tamin’ny naha ambasadaoro azy tany Belzika Atoa Omer Beriziky ary mbola nentin’ny filohan’ny FAT nandritra ny dia nataony ihany koa teo anivon’ny Vondrona Eoropeanina. Noho izany, izy no tena ao anatin’ny olon’ny fampihavanana izay tanjon’ny Pr Zafy Albert”. Atoa Iandro Robertson (ankolafy Ravalomanana), anisan’ny mpandrindra ny Rodobe ao Toamasina, koa no nanamarika fa “tsy ny praiminisitra Omer Beriziky no olana ho anay, fa ny fomba nilazana ny fanendrena azy ”. Nolazain’ny mpikamban’ny Rodobe ireo koa fa “tsy maintsy mbola ho avy eto ny ekipan’ny Troika handamina ny ministera ho azon’ny vondrona nanao sonia ny sori-dalana”. Nandritra ity fihaonan’ireo mpikamban’ny Rodobe no nilazan’izy ireo fa hisy hatrany isaky ny sabotsy ny hetsika ao amin’ny Magro Tanambao V, ary tsy hisy fijanonana izany raha tsy efa tratra ny tanjona.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT