Politique

Kotomanantsoa Rémi “Avy amin’ny Ankolafy telo ny Praiminisitra”


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011

Niditra tamin’ny andiany faha-09 ny hetsika nataon’ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina tamin’ny sabotsy tolakandro teo, teo an-tokotaniben’ny Magro Tanambao V.

 Samy nilaza avokoa ny mpitondra teny rehetra nandray fitenenana fa herinandro sisa dia hody ventiny ny tolona natao nitakiana ny marina sy ny fitondrana tena izy eken’izao tontolo izao, hiverenan’ny fanampiana sy hiverenan’ny filaminan’ny firenena. Nohamafisin’ny Me Rasamimaka Mahefalahy izany ka nilazany fa ho tonga eto ny Troika amin’ity herinandro vaovao ity, handamina sy hametraka amin’ny antsipirihany amin’izay ny voalazan’ny tondrozotra, indrindra ny mikasika ny fametrahana ny governemanta iaraha-mitantana sy ireo andrim-panjakana iaraha-mitondra sy manapaka. Nohitsian’i Kotomanantsoa Rémi kosa ny resaka fa tsy maintsy avy amin’ny Ankolafy telo ny praiminisitra, satria izay no voalazan’ny tondrozotra niarahana nifanaiky. Mila miomana dieny izao koa isika, hoy izy, fa herinandro mamarana tanteraka ny krizy no hisy manomboka izao, nefa tsy ho kely lalana ny ratsy ary mbola mihaodihaody koa ny fahavalom-pirenena.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT