Raha nisy ny Filoham-pirenena tsy nanaja ny Malagasy indrindra dia i Andry Rajoelina.
Ohatra noraisina ny filazàna hoe mivovoa ny mpanohitra, teo ihany koa ny tsy fahatongavan'izy mivady nanome voninahitra an'i Tompokovavy Céline Ratsiraka, ary ny fandefasana miaramila mirongo basy isaky ny misy mpanohitra miresaka. Olona « arrogant, ary tsy miraharaha ny malagasy. Rehefa fetifety ihany vao mipoitra izy mivady fa rehefa misy voina dia tsy hita. », hoy i Koto Lilahimahitsoambo raha naneho hevitra mikasika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, manoloana ireo fanamarihana manodidina ny Filoha ankehitriny. Ity fanamarihana nentin’i Koto Lilahimahitsoambo dia mampiseho fomba fijery manakiana sy manaitra mikasika ny mpitondra farantampony eto, indrindra amin’ny fomba fanehoana fanajana ny vahoaka sy ny soatoavina repoblikana. Tena mba mandinin-tena ny amin’izany ve anefa ny Filoha sy ny ekipany ? Tsy fanakianana fotsiny no aseho, fa fandinihana lalina momba ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny olom-pirenena, amin’ny fotoana saropady sy manan-danja. Ny fiteny manevateva toy ny filazana fa “mivovoa ny mpanohitra” dia fomba fiteny lasa miendrika ompa satria ny « alika » no mivovoa,... Raha ny soatoavina Malagasy sy ny soatoavina repoblikana no jerena, dia tokony ho fanehoana fanajana sy fihainoana no entin’ny mpitondra amin’ny fanehoan-kevitra mifanohitra, fa tsy fiteny manevateva baikoan’ny fo. Dia io fa misy fanamarihana mikasika ny resaka fahafatesana olobe teto amin’ny Firenena ary tsy sanatria hamoha fotamandry na ho hosarotiny alohan’ny tompony, fa misy dikany matoa niteraka resabe ara-pomba sy ara-politika. Ny tsy fahatongavan’ny Filoham-pirenena sy ny Première Dame dia nampiseho elanelana ara-panomezam-boninahitra, ary niteraka fahatsapana sy fanamarihana ara-politika, mety tsy midika ho tsy fitiavana na fanoherana bontolo, fa tena fanehoan-kevitra araka ny lojika. Amin’ny lafiny demokrasia, ny fandefasana miaramila mirongo basy amin’ny hetsika mpanohitra dia tsy ambana intsony fa efa loza mihatra amin’ny lafiny fiarovana ny zo politsika sy zo sivily. Raha isaky ny misy fanehoan-kevitra ka miaramila hatrany no alefa, dia mampitombo ny tahotra sy ny faneriterena, fa tsy mampiroborobo ny fifampiresahana sy ny mangarahara,… Henjana ary tokony hahatonga saina ny mpitondra raha tena manan-tsofina sy manana maso tokoa ny hoe : rehefa kifetifety tsy tara, mandany vola tsy toko tsy forohana, fa rehefa olam-bahoaka tsy rototra, izay manamafy ny laharam-pahamehana kisadasada.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.