Koto Lilahimahitsoambo

"Olona manampahaizana sy manampahalalana no tokony hitondra firenena"


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Fantantsika, hoy ny malagasy mipetraka any Soisy sady mpamakafaka anaty tambazotran-tserasera, Koto Lilahimahitsoambo,

fa olona manam-pahaizana sy nianatra i Tahina Razafinjoelina. Olona nitantana orinasa, mpandraharaha izy, hoy izy. Hitanareo amin’ny fotokevitra hijoroan’i Koto fa olona nianatra sy manana fahaizana no tokony hitondra. Ahoana moa no ahafahan’ny olona tsy manana BEPC na CEPE, tsy manana fahalalana fototra akory amin’ny toekarena, ny lalàna, siantsa mahakasika ny politika no tsy haiko hoe ahoana no hitenenana azy mba tsy hanaovana fitenim-boto? Ny malagasy dia miheritreritra fa olona tsy manana BEPC na CEPE no mahay mitantana. Ny dikan’ny atao hoe “management” na fitantanana aza tsy fantany. Anohanako an’andriamatoa Tahina Razafinjoelina aloha izay. Hisy hiteny indray hoe i Koto avy atsy dia mankatsy fa ny fotokevitr’i Koto dia iray ihany. Olona manam-pahaizana, tsy misy afa-tsy izay. Na aiza na aiza eran-tany ianao dia tsy misy fanazavana hafa. Ao anatin’ilay manam-pahaizana resahako andriamatoa Tahina Razafinjoelina. Teboka faharoa goavana sady miabo amin’andriamatoa Tahina Razafinjoelina dia ny fahamarinana. Araka ny vaovao azoko dia olo-marina, tsy mba hitanao nanao kolikoly na nivadibadika izy, hoy hatrany i Koto.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT