Politique

Korontana tao Antsirabe Nampaneno lakolosy ireo Raiamandreny ara-drazana


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Namoaka fanambarana ireo Raiamandreny ara-drazana ao amin'ny faritra Vakinankaratra taorian’ny savorovoro tao an-toerana ny sabotsy teo noho fisiana fanakanana famoriam-bahoaka ara-politika.

Nanao antso avo amin’ny rehetra sivily sy miaramila ny hisian'ny fitoniana. “Maro ireo mpanao politika mbola handalo hanao fanehoan-kevitra eto amintsika dia ho ekentsika Vakinankaratra ve ny fikorontanana lava mandram-pahatapitry ny fifidianana? Hoy izy ireo. Niantso fahatogavan-tsaina ka tokony hifatoka an-tsainatsika rehetra fa isika mianakavy, sivily sy miaramila eto Vakinankaratra ihany no hifanerasera isan'andro sy hifanatri-tava toy ny tarehy sy ny fitaratra eto amin'ity tanindrazana iombonana ity fa ny mpanao politika dia hiserana ihany, hoy hatrany izy ireo. Nampahatsiahy sy nanipika fa fa tsy soatoavina Malagasy velively ny ady an-trano sy fifanimbanàna ary tsy rariny sy tsy azo ekena raha ny zaza na ny tsy manan-tsiny no hiharan'ny voina anaty fifandonana. Arak'izany, “miandrandra ny fahendrentsika rehetra indrindra ny mapanao politika sy ny mpitandro filaminana izay tompon'ny fahefana feno amin'ny fitarihana na fanakanana vahoaka hanao na tsy hanao fanehoan-kevitra an-dalam-be, mba hanao laharampahamehana ny tena rariny sy ny hitsiny eto amin'ny tany sy ny firenena. Ny vahoaka dia kofehy manara-panjaitra ihany koa aoka ho toe-tsaina mendrika maha Raiamandreny miaro vahoaka sy taranaka no hanjaka ka samy hahatsapa tena sy haneho hatrany ny maha Vakinankaratra antsika dia ny firaisan-kina anatin'ny sarotra. Aoka isika rehetra ho modely ho an'ny taranaka. Mirary fahasalamana feno ho an'ireo tratry ny voina vokatry ny fifandonana”, hoy ireo Raiamandreny ara-drazana ao Vakinankaratra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT