Korontana noho ny tsy

fahatomombanan’ny fifidianana


  • Talata 24 Desambra 2024

«Vao mainka ho mafimafy ny hitranga raha izao no mitohy»

Tokony ho kihon-dalana teo amin’ny fiainan’ny firenena malagasy ny taona 2024, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika FIVOI na Fiovana ivoaran’ny eny ifotony, Tsivery Harisoa Mao Tse-Toung, satria namaraparana ny taona 2023 ny fidiran’ny fifidianana filoham-pirenena no nodimbiasan’ny fifidianana solombavambahoaka ary niafara tamin’ny fifidianana kaominaly teo. Somary nafampana izany ny tontolo politika, izay nifandray amin’ny tontolom-pifidianana, hoy izy. Mbola tsy tomombana ary mbola lavitry ny afo ny kitay raha ny resaka fifidianana eto Madagasikara no resahina ho an’ny antoko FIVOI manokana. Izany no tokony ho fakafakaina hoe ho entina aiza izany ity firenena ity raha ny fomba fandaminana sy fikarakarana fifidianana no asian-teny. Raha heverina hoe napetraka ireny rafitra ireny, toy ny CENI, dia niandry isika ny amin’ny hoe madio sy mangarahara ny raharaha. Taratra nefa izao fa vao mainka mihoatra lavitra noho ny zava-misy taloha no miseho ankehitriny mikasika izany tsy fahatomombanan’ny fikarakaràna fifidianana izany. Izahay dia tena miahiahy hoe loharanona korontana ny fifidianana hatramin’izay saingy vao mainka ho mafimafy ny hitranga raha izao no mitohy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT