Politique

Kongresy Tsimbazaza Velona ny vaky lapelina fanamariham-pahatongavana omaly


  • Alarobia 09 Novambra 2011


 Niatrika fivoriana teny Tsimbazaza araka ny fandaminana ao anatiny notapahan’ny birao maharitra ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita omaly, rehefa niato kely tamin’ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoana faharoa nandritra ny fotoana vitsivitsy izay noho ny fiandrasana ny fitsanganan’ny governemanta vaovao izay hanolotra ny volavolana teti-bolam-panjakana ho amin’ny taona ho avy 2012 sy fiandrasana ihany koa ireo namana vaovao hiditra noho ny fanitarana tsy maintsy atao.

Rehefa tena nandinika ny birao maharitra, hoy ny CT Andrimbololona Barison Claude izay filohan’ny vaomieranan’ny tetibola sy fitantanam-bola eny anivon’ity rafitra ity, dia nanapa-keitra eo am-piandasana izany hoe : tsy tsara ve ny hanomezana « information » sy « formation » an’ireo CT rehetra mba hitovy ny traikefa hanany sy fari-pahalalana mikasika ny famolavolana sy fandinihana izay volavolana tetibolam-panjakana ho avy eo. Ka ny omaly izany araka ny fanazavana nomen’ity filohana vaomiera ity ihany dia ny fampahafantarana ny amin’iny lalana fehizoro 007-2004, lalana fototra iaingàna amin’ny fandinihana io tetibolam-panjakana io ka ny teknisianina eo anivon’ny ministera tompon’andraikitra mihitsy no nitondra fanazavana tamin’izany. Hitohy rahampitso 10 novambra ny fivoriana, hoy izy, ka ny mikasika ny « cadrage économique » an’ny « trésor » indray no ho hazavaina aminay mpikambana CT rehetra. Tafiditra ao anatin’ny dingana hoenti-mandinika ny tetibolam-panjakana avokoa izany rehetra izany. Ka ny tombony amin’izao hetsika atao izao, hoy ny Dr Barison Claude dia mitovy ny mari-drefy hoan’ny fandinihana izany tetibola hahasoa ny vahoaka izany. Tsetsatsetra tsy aritra no ilazana fa velona ny vaky lapelina na ny famenoana “fiche de présence” tao amin’ity Lapa ity omaly ahitana marina izay tsy tonga (tsy nahafeno ny toerana tao ambany aloha ireo tonga niatrika ity fiofanana ity omaly). Dia inona no miandry ireo tsy tao anatsy lisitra ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT