Politique

Kongresy Tsimbazaza Hitohy ny vaky lapelina anio


  • Alakamisy 10 Novambra 2011


 Raha nampahafantarin’ireo teknisianina avy amin’ny ministeran’ny vola sy tetibola an’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita afak’omaly, tao anatin’ny fivoriana natrehan’izy ireo teny Tsimbazaza, ny mikasika ny lalàna fehizoro 007-2004, lalàna fototra iaingana amin’ny fandinihana ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin’ny taona ho avy, dia ny mikasika ny «cadrage économique» an’ny «trésor» indray kosa anio no hohazavaina amin-dry zareo eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny dingana hoenti-mandinika ny tetibolam-panjakana avokoa ireo, araka ny fanazavana nomen’ny Dr Andriambololona Barison Claude, filohan’ny vaomieran’ny tetibola sy fitantanam-bola eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita. Ny tombony azo dia fahazoana mari-drefy mitovy ho an’ireo CT amin’ny fandinihana ny tetibola hahasoa ny vahoaka, ka tsy hisy hisalasala intsony rehefa tena tonga ny fotoana handinihana ny volavolana tetibola ho avy hiarahana amin’ireo namana vaovao vao hotendrena. Fanapahan-kevitra avy amin’ny birao maharitry ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny tolo-kevitry ny filohan’ny vaomieran’ny vola sy tetibola no nanatanterahana ity fanomezam-baovao sy fiofanana ireo CT tsy an-kanavaka ity. Tsetsatsetra tsy aritra kosa no ilazana fa velona ny vaky lapelina na ny famenoana taratasy fanamarinam-pahatongavana tao amin’ity Lapa ity afak’omaly ahitana marina izay tsy tonga. Dia inona no miandry ireo tsy tao anaty lisitra ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT