Komity mpanohana

> Mitombo isan’andro ny an’i Robinson Jean Louis, miala an-daharana ny an’i Hery Rajaonarimampianina


  • Talata 10 Desambra 2013

«Samy mandeha samy mitady». Tsy andrenesam-peo hatramin’izay niantombohan’ny fampielezan-kevitra fihodinana faharoa izay ny komity mpanohana an’i Hery Rajaonarimampianina ao Tolagnaro.

Revo any amin’ny fampielezan-kevitra ho solombavambahoaka ny komity mpanohana azy. Saika kandida depiote avokoa moa ny lohandohany ao. Nitsotra ireo komity mpanohana ireo fa toy ny hazakazaka ambany farafara ny fifidianana ka samy hampandany ny tenany no ady ao. Tsy misy resaka intsony ny amin’i Hery Rajaonarimampianina. Nifindra lasy any amin’ny KMDR (Komity Manohana an’i Dr Robinson Jean Louis) aza ny ankamaroany. Tamin’iny fiandohan’ny herinanandro lasa teo iny izao dia antoko politika sy fikambanana am-polony maro no nanatevin-daharana ny KMDR. Na ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna na ireo sefo Fokontany ao an-drenivohitra Anôsy ihany kosa dia samy tapa-kevitra fa hanambatra ny vatony ho an’ny kandida Dr Robinson Jean Louis.

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT