Komity mpanohana an’i Camille Vital – Frantsa

> Mitombo ny ahiahy amin'ny fanodinkodinana ny valim-pifidianana


  • Alatsinainy 04 Novambra 2013

Miahiahy amin’ny fisehon'ny fanisam-baton'ny mpifidy sy ny fizotry ny fanangonana ny vokatra tamin' ny fifidianana ny komity manohana an' i Camille Vital any Frantsa.

Gaga ity Komity ity eo anatrehan’ny hamaron'ny vato azon'ny kandida sasany amin'ny toerana ankodahoda tsy misy mahalala azy ary tsy nalehany akory, toy ny tany Bongolava, Atsimo Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Vatovavy Fitovinany. Milaza koa ry zareo fa misy mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara nampanantena azy ireo vola 50.000 Ariary isan’olona raha mandatsaka vato efa niforitra mialoha ka atao porofo amin’izany ny famerenana ny bileta tokana tokony ho nifidianany izay tsy mbola niasa. Ny fampitahana ny vato isaky ny birao fandatsaham-bato ihany no vahaolana amin’izany, araka ny hevitr’ity komity ity, indrindra ny fanamarinana ny «numéro de serie» misoratra amin’ireo vato nalatsaka ireo izay tokony hifandraika amin’ireo biletà izay natontan’ny CENI-T. Mangata-panazavana mikasika ireo ahiahy ireo amin’ny CENI-T sy hampisehoany ny mangarahara mikasika ny fizotry ny fifidianana sy fanisam-bato mba hialan’ny ahiahy rehetra koa ry zareo.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT