Komity mpanara-maso ny tondrozotra

> Mangina tsy andrenesam-peo


  • Alarobia 13 Novambra 2013

Mangina tsy andrenesam-peo ny CSC na Komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra na dia efa hitam-poko hitam-pirenena izao aza fa nandika ny andininy faha-15-n’ny tondrozotra ny filohan’ny tetezamita raha nanambara fa manohana kandida iray.

Mailaka ery anefa ry zareo tao amin’ny CSC nanasisika tao anatin’ny fehin-kevitra navoakany ny fanambaran’ny filoha teo aloha ny tsy maha kandida azy amin’ny fifidianana. Na fanambarana tsotsotra an-taratasy aza dia tsy nisy, kanefa dia fanitsakitsahana mazava be ny tondrozotra izao no nataon’i Andry Rajoelina. Maro no mihevitra fa tokony ho niteny avy hatrany ny CSC ary nanotrona azy avy eo ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy vantany vao nivoaka iny resaky ny filohan’ny tetezamita iny. Tsy voatery hoe manakana na mitabataba fa manambara fotsiny fa tsy mety iny zavatra natao iny na inona na inona mety antony. Rehefa vita izay dia anjaran’ny CES no mampihatra ny lalàna, satria tena hentitra ny filohan’ity andrim-panjakana ity raha nilaza fa ny lalàna ary ny lalàna ihany no fantatry ny CES fa tsy mijery ny lafiny politika na resaka fitoniana izany. Raha izay no izy, toa misy fahamarinany ihany ny ahiahin’ny olom-pirenena sasany manao hoe : iray sokajy amin’ireo raiamandreny mody najoro ihany ity CSC ity. Mody fanina rehefa misy ny tsy mety ataon’ireo olom-panjakana avy ao amin’ny ankolafy Rajoelina, fa rehefa ny hafa kosa no solafaka dia haingana be mampiantso mpanao gazety sy manao fanambarana. Manaratsy endrika ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra ny fahanginany manoloana fandikan-dalàna tahaka izao, ary maha te hiteny mihitsy hoe : tsy misy ilana azy anie izany ity rafitra iray ity fa dia mandany vola fotsiny e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT