Politique

Komity miaro ny soa iombonana “Anjaran’ny mpitondra fivavahana sisa”


  • Zoma 30 Desambra 2022

Eo anivon’ny vondrona Panorama ny komity miaro ny soa iombonana na KMSI, hoy ny mpitarika ity vondrona politika ity, Randrianirina Jean Ignace na Ramasy.

Miaraka amin’ny vondrona ALDR koa, hoy izy. Efa misy sehatra iarahana ao anaty vovonana iray noho izany ny KMSI ary tafiditra ihany koa ao anatin’ny resaka CMT na komity tekinika iombonana manomana ny fifidianana. Ny soa iombonana resahan’ny KMSI matetika dia ny fanadiovana mihitsy ny tokontanim-pifidianana. Nanao ezaka handamina ny KMSI saingy miankina amin’ny tsirairay avy moa no hahatongavana amin’izany. Heverin’ny KMSI manoloana ny zava-misy ankehitriny fa lalana iray ny fifampiresahana. Izay no hampirisihan’ny KMSI ireo sokajin’olona rehetra ireo. Nezahana koa ny nifampiresaka amin’ireo mpitondra fivavahana hanatanteraka ny fikaonandoham-pirenena. Tonga ny hafatra fa anjaran’ireo sisa no mandamina an’izay. Manantena izahay fa hisy ny fifampiresahana amin’ny taona 2023. Fikaonandoha ho an’ny rehetra handaminana ny tany sy ny fanjakana. Tsy niova amin’ny tanjony dia ny hananana mpitondra eken’ny rehetra ny KMSI. Ny fampandraisana anjara ny fokonolona no hitondran’ny KMSI azy satria mitazana fotsiny izao ny fokonolona. Manadio ny lisi-pifidianana isika nefa olona tendrena no apetraka eny. Tsy misy fandraisana anjara amin’ny fanentanana ny olona izany. Raha vao tsy mandray anjara ny olona eny anivon’ny fokonolona, ny fokontany dia mitazam-potsiny. Tsy nampiharina ny lalana hoe fidiana ny solontena eny anivon’ny fokontany. Fidin’ny fokonolona ny olona hikarakara fifidianana dia mba manana olona azony hitokisana hanatanteraka fifidianana ilay fokonolona, hoy hatrany ny KMSI.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT