Komity manohana an’ny kandida Rajaonarimampianina

> Nanao fihaonana maimaika tamin’ny mpanao gazety


  • Sabotsy 23 Novambra 2013

Nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety mba hanehoany ny fankasitrahany sy fisaorany ireo kandida anankiroa nailiky ny CES ka nanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina taorian’ny fivoahan’ny valim-pifidianana ofisialy omaly iny.

Nosantarin’ny Dr Jules Etienne Rolland tamin’ny fiarahabana ity kandida tohanany ity ny resany ary notohizany tamin’ny fisaorana ireo vahoaka mpifidy. Ny fanjakana foibe sy ny fitsarana manokana mikasika ny fifidianana ary ny CENI-T kosa no notoloran’ny Dr Roger Kolo fisaorana sy fankasitrahana voalohany satria aminy dia ireo no antoka nahavita soa aman-tsara an’iny fifidianana iny. Nandiso fanantenana ireo mpanao gazety efa niandry nandritra ny ora iray mahery tao amin’ny Hotel Colbert anefa ny zava-nisy tao satria ny valim-panontaniana nomena azy ireo tsy mahafa-po, ny kandida nantenaina ho avy nijanona tao ambony rihana fa tsy nidina akory. Raha averina dia mikasika ny fanafoanana ny vaton’ny kandida Hery Rajaonarimampianina 5.000 mahery sy ny tetibola mety holaniana amin’ny fihodinana faharoa ary ny votoatin’ny fihaonan’ny kandida sy ny filohan’ny tetezamita no nametrahan’ireo mpanao gazety fanontaniana saingy nahay niala tamin’izany ireo mpamaly ka tsy nahazo valiny mahafa-po tahaka ny mahazatra ny mpanao gazety.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT