Politique

Kolontsain’ny fandrobana 2009 Miha latsa-paka amin’ny olom-pirenena


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Teo aloha teo saika isam-bolana. Taorian’izay saika isan-kerinandro. Ankehitriny, efa ho isan’andro, dia ahenoana hatrany ny hoe misy maka tsikelikely ny ny fefin’ny tetezana tary.

Misy maka ny vy eny amin’ny raokady. Misy manongotra ny bizo tary. Ny faran’ny herinandro teo izao, eto Antananarivo, nisy nangalatra ny vavahadin’ny zaridainan’Analakely. Talohan’io dia niaraha-nahita koa ny fanimban-javatra sy loto napetrak’ireo olona nitsidika voalohany ny zaridainan’Ambohijatovo. Ilay vahoakan’Antananarivo no nokianin’ny ben’ny tananany mafy raha feno loto teny anoloan’ny lapan’ny tanana nandritry ny kifekifety indray maka teto amin’ny firenena iray. Hila hiteny mihitsy ny ben’ny tanana amina kaominina sasany hoe olondia amin’ilay sokajian’ny frantsay hoe “sauvage” mihitsy angamba ity vahoaka malagasy ity satria ankehitriny dia voatery hampianarina miampita arabe satria hoe tsy hainy intsony izany. Iza anefa no nampianatra? Iza no nitondra vahoaka namoha minisitera tamin’ny alalan’ny tandramokotra sy ny karazam-pitaovana toy izany tamin’ny fotoan’androny? Hita ho latsa-paka amin’ny olomperenena malagasy mandrak’ankehitriny ny kolontsain’ny fandrobana nitranga ny taona 2009.
J. Mirija
Legende: Tahaka izao no nanjo ny vavahadin’ny zaridainan’Analakely
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT