Kolonely Randrianirina Michael

"Tena tsy atokisan'ny vahoaka ny


  • Alakamisy 05 Febroary 2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Nihaona tamin'ny vahoakan'i Mahajanga tao amin'ny Gymnase lehibe ao an-toeranany Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, RANDRIANIRINA Michaël omaly 04 febroary, nialohan’ny niverenany teto Antananarivo. Nasongadiny ny fomba fiasa vaovao entin’ny Fanjakana teo anatrehan'ny fanontaniana sy fitarainana mivantana.m nataon'ny olona. Voaresaka manokana ny olan’ny tany izay nilazany fa kolikoly no fototra mahatonga izany eto Madagasikara. Hisy vaomiera iraisana hapetraka isam-paritra sy distrika handinika ary hamaha ireo olana ara-tany, mba hanome vahaolana maharitra. Nohamafisiny fa tsy maintsy tohizana ny fanadihadiana momba ny fahaverezan’ilay sambo AW. Raha ny tatitra avy amin’ny Fitsarana ambony ao Mahajanga dia tsy nisy antontan-kevitra tonga tany an-toerana tamin’izany fotoana izany, fa avy any Antananarivo no nanao fanadihadiana. Amin’izao fotoana izao kosa, hoy ny Filoha, dia manomboka mandroso ny fanadihadiana eo an-toerana, ary nanamafy izy fa tsy hiditra an-tsehatra ny fanjakana fa hanome fahaleovan-tena tanteraka ny tomponandraikitra ao Mahajanga. Ara-toekarena sy sosialy, noraisina ny fangatahan’ireo mpanjono madinika momba ny fametrahana toerana mpamokatra gilasy ho an’ny vokatra an-dranomasina. Nampanantena ny Filoha fa horaisina izany. Toy izany koa ny fangatahan’ny olona manana fahasembanana mikasika ny toerana hiasana, izay nolazainy fa voaray sy ho dinihina.
FITANTANANA ENY AMIN'NY FARITRA, CENI,..
Notsiahiviny fa rehefa lehiben’ny Faritra tany Androy izy dia fantany fa tsy mandalo any Antananarivo ny vola karama fa azo atao mivantana amin’ny trésorerie générale an’ny Faritra ny fandoavana. Nohamafisiny fa tsy maintsy olona avy ao amin’ny Faritra Boeny no hotendrena ho lehiben’ny Faritra, ho mariky ny fanajana ny maha-izy azy sy ny fahaleovan-tenan’ny faritra. Naneho ny tsy fahatokisan’ny vahoaka amin’ny CENI amin’izao fotoana izao ny Filohan’ny Fanavaozana. Nilaza izy fa miandry ny Fikaonan-doham-pirenena sy fanavaozana ny lisi-pifidianana vao azo atao ny fanovana sy fananganana CENI vaovao, izay hahafahana manatanteraka fifidianana azo itokisana. Notsipihiny anefa, fa ezahana ny firosoana dieny izao amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, fa tsy tokony hiandry fahavitan’ny fikaonandoham-pirenena. Ankoatra ireo fanontaniana sy fitarainana novaliana mivantana, dia nisy ihany koa ny sosokevitra tsotra noraisina. Nambarany fa misy olana sasany izay tsy maintsy hikitihana lalàna vao hahitana vahaolana. Nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana fa fomba fiasa vaovao no entiny: “Fomba fiasa vaovao ity atao ity mba hahafantarako ny maharary ny vahoaka… fanovàna fiasa mba ho teny miakatra fa tsy teny midina foana.”, hoy ny Kolonely Randrianirina Michael.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT