Kolonely Ramboasalama Émilien

« Tsy nilamina ny fifidianana, hiady hatramin’ny farany izahay »


  • Zoma 31 Mey 2024

Tsy afapo amin’ny fifidianana solombavambahoaka notanterahana ny alarobia 29 mey lasa teo ny Kolonely Ramboasalama Émilien.

Raha ny fanambarana nataony niaraka tamin’ireo mpiaradia aminy omaly dia maro be ireo toe-javatra sy tsy fahatomombanana ary tsy fanarahan-dalàna nitranga, izay mampisy ahiahy. Tsy hanaiky ny halatra moa izy ireo fa hiady hatramin’ny farany ka hametraka fitoriana any amin’ny CENI sy ny HCC ny mba handraisan’ireto farany ny andraikitra mifanandrify amin’izany. Ankoatry ny kandida Rahasimanana Paul Bert na Rossy izany dia kandida faharoa nilaza ampahibemaso ny ahiahiny amin’ny resaka halabato ny kolonely Ramboasalama Émilien, samy nilatsaka ho fidiana eny amin’ny boriborintany faha 4 Antananarivo renivohitra mo aizy mirahalahy ireto ary samy solombavambahoaka teo aloha avy amin’ny TIM sy ny MAPAR fa kosa samy nanao kandida mahaleotena tamin’ity indray mitoraka ity. Tena maro ny zavatra tsy nilamina teny amin’ny boriborintany faha 4 hoy izy ireo ary hanana porofo sy vavolombelona izany . Raha ny vokatra vonjimaika hatreto aloha dia tafiditra laharana voalohany eny amin’ny « 4ème » I Rina Randriamasinoro (Firaisankina) ary faharoa kosa i Rafidimanana Désiré na Fidy TMH (IRMAR).
Lalaina Rav
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT