Kolonely Michael Randrianirina

«Fanarenana no misy eto


  • Alakamisy 27 Novambra 2025

Madagasikara fa tsy tetezamita»

Nanambara tamin'ny mpanao mpanao gazety rosianina ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Michael Randrianirina, fa eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany no hitsaràna ireo tomponandraikitra ambony voarohirohy amin’ny kolikoly. Tsy ao amin’ny Fitsaràna avo na HCJ, hoy izy, ary efa nomena toromarika ny manam-pahefàna. Nohamafisiny fa maneho ny ady ataon’ny fanjakàna amin’ny kolikoly izany sy ny famerenana ny vola voaroba toy ny raharaha Mamy Ravatomanga. Mamaly ny fitakian’ny tanora izany, hoy izy. 2 taona monja ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny fanavaozana. Fanarenana no misy eto Madagasikara fa tsy tetezamita ary hisy fifampidinihana nasionaly hamaritra ny hoavy, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT