Politique

Kolonely Coutiti Marary mafy ao Tsiafahy


  • Zoma 04 Novambra 2011

Omaly dia nisy delegasiona avy amin’ny Ankolafy telo nitsidika ireo gadra politika voatazona any Tsiafahy.

 Manodidina ny 50 mahery eo ho eo izy ireo no any, araka ny fanazavana azo. Raha ny vaovao àry dia marary mafy i Coutiti Assolant sy ny mpiasa iray tao amin’ny MBS (Malagasy Broadcasting System). Sempotra ny kolonely Coutiti ary dia nandefa taratasim-panafody hahazoana mividy izany. Ilay mpiasa teo anivon’ny MBS kosa dia “sous serum”, raha ny tatitra. Raha tsiahivina dia an-jatony ireo gadra politika manerana ny Nosy mbola voatana any am-ponja any hatramin’izao. Raha ny tokony ho izy dia efa navoaka izy ireo taorian’ny nanaovana sonia ilay sori-dalana. Hatreto anefa, tsy mbola nisy hetsika nataon’ny FAT ny amin’izany na dia nampanantena aza i Beriziky Omer fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra. Tsaroana etoana ny namoahana ireo gadra voalaza fa gadra politika raha vantany vao nahazo fanjakana i Andry Rajoelina ka nanatobiana azy ireo tery amin’ny hotely iray teny Amboanjobe, amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Ny tamin’ity kosa anefa dia tarazohina ny famoahana azy ireo na dia eo aza ny fifanarahana efa natao ka nosoniavina.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT