Kolonely Charles Andrianasoavina

> Miezaka mafy hihazona ny sezany Rajoelina


  • Alakamisy 05 Desambra 2013

Manoloana ny filazan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy fa mila fanadihadiana manokana ny fanomezana famotsoran-keloka ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina azy dia nampiantso mpanao gazety tao an-tranony tetsy Ankadivato izy omaly mba hanomezany ny valin-teniny.

Nohazavainy fa anisan’ireo tetika ataon’i Andry Rajoelina hihazonana ny sezany io tsy famelana an-kolaka azy mody eto an-tanindrazana io satria fantatr’itsy voalohany fa tsy hangina velively ny tenany mikasika ireo raharaha tokony hahavoarohirohy ny filohan’ny FAT ka mahatonga ity farany manitsakitsaka lalàna sy ny sisa io mba hitazomana toerana ka tsy hahatonga azy ho voakitika amin’ny Repoblika faha-4, raha ny filazan’ny kolonely Charles hatrany, niainga avy atsy La Réunion. Notanisainy tamin’izany ny fandrobana tamin’ny 26 janoary 2009, ny vono olona tamin’ny 07 febroary 2009, ny fanondranana ireo harem-pirenena tahaka ny andramena, ny volamena ary indrindra ny fitantanana ny volam-panjakana.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT