Tsara raha miaramila ihany no apetraka eo amin’ny toeran’ny praiminisitra hitantana ny tetezamita iombonana, hoy ny senateran’i Menabe teo aloha, Atoa Kolo Rolland, satria sarotra ny hahita olona tokana tsy miandany amin’iza na iza amin’izao fotoana izao.
Ny filaminana eto amin’ny firenena koa ankehitriny tsy mbola azo antoka loatra ka ilana an’izany miaramila izany. Tsy ho irery anefa izy fa tokony hapetraka hiaraka hitantana aminy ny praiminisitra lefitra 4 hatramin’ny 6 izay hanana fahefana feno tahaka azy ihany koa ary ho arofanina amin’izay ho fihetsik’io praiminisitra voalohany io. Nanambara ity senateran’i Menabe teo aloha ity fa mbola mitoetra hatramin’izao eto amintsika ny ady seza ho an’ny mpanao politika fa ny vahoaka kosa dia safosafoina amin’ny lainga lava izao.
Ity fitadiavana seza sy sakafo ity no fototry ny fivakivakisan’ny antoko politika ankehitriny ka mahatonga ny fiforonana antoko kely marobe etsy sy eroa. Mikasika ny resaka fanitarana ny CT sy CST dia nanamafy ity senatera teo aloha ity fa na dia 20 isa monja aza izy ireo, rehefa matotra sy manao ny asany araka ny tokony ho izy dia mahavita ny zavatra ara-dalàna. Ny fahamaroan’izy ireo aza dia tsapa fa mampitarazoka ny raharaha sy famahana olana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.