Ny faritanin’i Toliara no be lisitra hifaninana indrindra amin’ny fifidianana Senatera hotanterahina amin’ny 29 desambra 2015.
Tafakatra 13 be izao, na misy mbola mameno antontan-taratasy aza. Hiavaka ny fifaninanana any Toliara. Praiminisitra teo aloha roa, anisan’ny lohalisitra, dia Dr Kolo Roger (HVM) sy Monja Roindefo (Monima). Hifaninana ao koa ny samy mpihavana, Naika Eliane (TIM) sy Kolo Roger. 42 ireo Senatera hofidiana mivantana, 7 isaky ny faritany. Rehefa tapitra ny 72ora taorian’ny 16 novambra nikatonan’ny fandraisana firotsahan-kofidiana, vao ho fantatra ny isan’ireo kandida manerana ny Nosy. Fa raha ny hita aloha hatreto, dia misy praiminisitra teo aloha roa, minisitra teo aloha iray (TIM), lehiben’ny faritra telo (Analamanga, Matsiatra Ambony, Analanjirofo), Filohan’ny Antenimieram-pirenena iray, Pr Ange Andrianarisoa (Arema). Hatao ny 8-28 desambra 2015 ny fampielezan-kevitra. Tombanana ho vato 300 eo no ahazoana toerana iray ho an’ny faritanin’Antananarivo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.