Politique

Kolikoly avo lentan’ny ladoany Nidoboka am-ponja ny Tale jeneraly teo aloha


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Nosamborina ny sabotsy 31 aogositra teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina ny Tale jeneralin’ny ladoany teo aloha Atoa Rabenjanarivony Eric, raha ny loharanom-baovao.

 

 

 

Voarohirohy tamina fanaovana hosoka, toy ny fanambarana diso tamina entana niditra tao amin’ny fadin-tseranana tsy nisy nampandoavana hetra satria nambara fa taratasy fanaovana gazety na "papiers journaux" sy simenitra avokoa satria ambany dia ambany ny hetra sy haban-tseranana aloha amin’izany. Huiles raffinées, labozia, PPN, électroménagers,… no voalaza fa tena tao anaty kaontenera. Misy ny loharanom-baovao nilaza fa 9.612 kaontenera no nanaovana hosoka, izay niarahana tamina mpandraharaha akaiky ny filoha tamin’ny fanjakana teo aloha. Nosamborina niaraka taminy ny mpiara-miasa amin’io Tale jeneraly teo aloha io, dia Atoa Ramaherison Tolojanahary (Receveur des Douanes), Rtoa Rasoamananjara Henintsoa Lovatiana (Lehiben'ny Sampandraharaha miady amin'ny hosoka), Razafindrakoto Lalatiana (Sampandraharaha fanadihadiana tao amin'ny ladoany),... Natao fanadihadiana teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) izy ireo ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Volabe hatrany amin’ny 125 miliara Ariary mahery (125.050.176.376 Ariary) no tokony hiditra amin'ny fanjakana kanefa very an-javony, hoy hatrany ny vaovao niely. Vao tsy ela ny praiminisitra Ntsay Christian no nilaza teny amin’ny antenimierandoholona fa volabe hatrany amin’ny 600 miliara tokony hiditra tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny ladoany no very, ka io fa raikitra izany ny fanenjehana sy famohazana ireo dosie. Raha ny dosie eo anivon’ny PAC dia maro satria tao anatin’ny 10 andro faramparan’ny volana aogositra teo fotsiny, dia olona 60 no efa vita famotorana momba ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, famarotana ny tsenam-baro-panjakana, ny fanondranana volamena, zava-mahadomelina, fanondranana olona, fanaovana hosoka, fanararaotam-pahefana,....  Ny 18 tamin’izy ireo voasazy ary handoa onitra, ny ambiny afaka noho ny fisalasalana. Marihina fa misy andiany fito ny raharaha sahanin’ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity. Hisesy ny raharaham-pitsarana amin’ity volana ity.

 

 

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT