Politique

Kolikolim-pifidianana Mila resena raha te ho tafavoaka


  • Zoma 10 Febroary 2023

Isan’ny fositra mamotika ny firenentsika ny kolikoly ara-pifidianana. Tsy ny vina sy ny programan’asa intsony no tena mikaonty tato ho ato,

fa miankina amin’ny vola sy ny fanambazana amin’ny endriny samihafa. Lasa voafidin’ny t-shirt, vola, artista ny olom-pirenena hany ka na ilay hevitry ny hoe: “fampielezan-kevitra” aza lasa miova ho “fampielezam-bola”, lasa tsy fifidianana intsony fa fividianana. Lasa izay be vola sy mahatolotolotra no manana herijika ho lany, avy eo tsy misy tamberin’andraikitra firy intsony fa toa efa vita tamin’ny domy tapany handoa erany ny vahoaka satria mety voavidy ny safidiny, hany ka fihemorana no hita ao anatin’ny fe-potoana iasana mandritra ny 5 taona eo satria tratry ny domina tapany handoa erany ny Malagasy. Zary hararaotina amin’ny fahantrany ihany koa, ka mora ny mandrebireby azy sy mividy ny safidiny amin’ny zavatra tsy manao mahavita taona. Eo anatrehan’izany, tokony havadika ho asa misy vokany ny ady amin’ny kolikoly fa tsy hatao fitaovana fotsiny hoenti-mandresy lahatra amin’ny fifidianana. Isan’ny manipika mafy an’io ny Transparency International Initiative Madagascar eo anatrehan’ny kolikolim-pifidianana miseho amin’ny endriny samihafa. Amin’ity taona 2023 ity, hiatrika fifidianana isika, ka isan’ny manipika mafy ny hiadiana amin’ny kolikolim-pifidianana io fikambanana io. Anisan’ny làlana heveriny fa hahafahana mizotra amin’izany ny fandaniana lalàna mikasika ny famerana ny vola laniana amin’ny propagandy sy ny fangaraharan’ny loharanom-bolan’ny antoko politika politika. Tahaka izany ihany koa ny fandaniana lalàna mikasika ny zon’ny olom-pirenena rehetra hahazo vaovao sy ny fiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy, izay tokony ho laharam-pahamehana raha ny hevitr’io fikambanana io hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT