Kolekitifa an’ny Malagasy Avaradrano

« Tsy azo ekena ny tsy fanonerana ny tanim-bahoaka nalaina »


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Malagasy Avaradrano tarihin’i Hajo Andrianainarivelo sy Andry Ratavilahy ny sabotsy teo. Nihaona tamin’ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa arabe migodana na teleferika. Nilaza ireo vahoaka fa tsy nisy ny fifampiresahana fa dia nandeha ny fametrahana « piquet » sy fampidinana « bulldozer » nanao ny fitrongisana. Tsy nisy dinika, 2 volana ny taratasy nampahafantarana ny fokonolona no nipetraka teny amin’ny tanàna. Ny volana desambra 2022 no nanombohana ny tetikasa, tsy nanohitra ny vahoaka, fa nangataka ny hanaovana tombana ny fananany, ny taniny, ny tanimbariny,… Nampanantenaina fa tsy maintsy voaloa ao anatin’ny 3 volana, saingy hatramin’izao tsy mbola nisy, hoy ny fitarainan’ireo vahoaka. Nilaza kosa ny kandida Hajo Andrianainarivelo fa malaza ny voalazan’ny lalàna amin’ny tokony hanonerana ireo vahoaka izay vao mandeha ny fikitihana ny fananany. Tokony hazava ny taratasy rehetra ary voaloa ny vola, ary tahaka izany ihany koa ny tambin’ny fihariana. Raha vao azo ilay vola dia mba afaka manao fitadiavana hafa, ka tsy rariny raha 2 taona aty aoriana tsy nahazo ny volany, tsy nahazo ny tambiny ilay olona ka inona no hohaniny? Inona no tambiny? Famonoana olona izany ary lavin’ny lalàna ka miantso ny tompon’andraikitra hanazava ary vonona hiady hevitra aminy aho raha sahy izy, hoy I Hajo Andrianainarivelo. Eo anatrehan’ny hoe: an’ny Fanjakana ny tany, dia manana ny zony ny tompon-tany ka izany ihany koa no tokony harovan’ny Fanjakana voalohany, hoy ity kandida ity. Efa minisitry ny asa vaventy moa ity farany teo aloha, ka nilazany fa novinavinaina ho 5-7 taona teo vao vita ny fandalinana sy ny fandoavana ny volan'ny olona rehetra. “Manome toky anareo aho fa tsy hamelako mihitsy ity resaka ity raha tsy misitraka ny zon’ireo tantsaha ireo. Fantatro tsara ny antsipirihany amin’ity raharaha ity ka dia ho avy isika amin’ny angady sy ny harona”, hoy I Hajo Andrianainarivelo naneho fa hiady ho an’ireo vahoaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT