Kolekitifa an’ny Malagasy – Avaradrano

"Sahy hitaky sy hiaro ny tombontsoam-bahoaka isika"


  • Zoma 10 Mey 2024

Mila fahasahiana ny fanovana hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena hoy ny

kandida avy amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy ao amin’ny distrikan’Avaradrano, omaly, andro faharoa an’ny fampielezan-kevitra .
TOHANANA NY TANTSAHA
Tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely sy Anjeva indray omaly ny lisitra tarihin’ny Kandida Hajo Andrianainarivelo izay efa niasa, nanasoa ary vonona hanohy sy hiaro ary hanamafy izay ezaka efa vita izay,ba hananana ampitso tsara kokoa.Tsy hisy fampandrosoana azo antenaina raha tsy atao laharam-pahamehana ny famokarana, tohanana ny tantsaha ary hamoraina ireo fitaovana sy akora ahafahana mampitombo ny vokatra. Vaindohan-draharahan’ny Kandida Solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’Avaradrano avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ny hiady sy hiaro ny tombontsoan’ireo mpamboly sy mpiompy izay maro an’isa ao Avaradrano, fa manerana ny Nosy ihany koa, vantany vao tonga eny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza hoy ny Kandida Hajo Andrianainarivelo teto Ambohipiainana, sy Ikianja Kaominina Ambohimangakely.
TETIBOLA HO AN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Fiarovana ny tantsaha amin’ny alalan’ny lalàna, fa ihany koa eo amin’ny sehatry ny fananan-tany, noho ireo tantsaha, izay mamboly amin-tebiteby. Eo ihany koa ny adisisika amin’ny fampitombona ny vola atokan’ny fanjakana ho an’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, hoy ny kandida lisitra faharoa RATAVILAHY Andry. Nisy nandritra ity fotoana ity ny fanohanana hita maso nataon’ireo kandida an’ny kolekitifa an’ny Malagasy ao Avaradrano ireo tantsaha tao Ambohipiainana, Ikianja Kaominina Ambohimangakely.ka nanolorana zezika ho azy ireo, hanatsarana ny famokarana.
FANOVANA TENA IZY
Fa tetsy ankilan'izay dia tsy diso anjara ihany koa ireo ankizy sy tanora teto Ambohipiainana sy Betsizaraina, ary Ikianja, isan’ireo fokontany mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely fa notolorana fampitaovana, hamporisihana azy ireo ho tia fanatanjahantena. Fanamiana sy baolina ho an’ireo mpiangaly ny taranja basket Ball sy ny baolina kitra no natolotry ny kandida laharana faharoa Avaradrano ho azy ireo. Ho an’ny fokontany Ikianja, natolotra ho an’ny vahoaka androany ihany koa ny paompin-drano manoloana ny olana misy ankehitriny. Teo akaikin’ny vahoaka hatrany ireo Kandida an’ny kolekitifa an’ny Malagasy Avaradrano, ary izao manamafy ny rohim-pihavanana izao. Nisy arak’izany ny fanohanana ireo vehivavy sy tanora manoloana ny olan’ny tsy fananan’asa ankehitriny ka nanomezana azy ireo fanofanana manamboatra savony. Vahoakan’Avaradrano, izay mikaikaika manoloana ny fahasahiranana iainana amin’ny andavanandro. Ho an'ny dia tao amin'ny Kaominina Anjeva kosa dia voaresaka ny hoe toy ny tany tsy misy fanjakana ny eto, miady irery ny vahoaka ka manantena izy ireo fa hisy tokoa ny fanovana, araka ny teny filamatry ny Kolekitifa an’ny malagasy.Tsy nihambahamba ny kandida manoloana izay fangatahana toky avy amin’ny vahoaka izay. Vonona sy vanona ny kandida an’ny Kolekitifa an’ny malagasy, hitondra ny fanovana ao anatin’ny fihavanana.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT