Kolekitifa an’ny Malagasy – Avaradrano

Sahy hiady hisian’ny tany tan-dalàna eto Madagasikara


  • Alakamisy 16 Mey 2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

hoy ny Kolekitifa an’ny Malagasy ao Avaradrano omaly. Vonona ary sahy hiady ho fametrahana an’izany ireo kandida Solombavambahoaka ho an’ny Fanovana tarihin’ny Kandida Hajo Andrianainarivelo araka ny nambaran’izy ireo teny Ambohimanambola sy Ambohimangakely. Hihemotra hatrany i Madagasikara raha mbola ny goragora, ny gaboraraka sy ny kolikoly ary ny fanaparam-pahefana no manjaka hoy ny kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ao amin’ny Distrikan’Avaradrano. Hitondra ny fanovana, hamerina an’i Madagasikara ho ao anatin’ny tan-dalàna no isan’ny antony andraisana anjara amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity hoy izy ireo. Antom-pijoroana sy nahatonga ny kolekitifa an’ny malagasy handray anjara amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity ny hanohy ny tolona efa natomboka tamin’ny taona lasa, ny hisian’ny fanovana eto amin’ny firenena. Fanovana eo amin’ny fanaovana politika, toy ny tsy fanekena intsony ny faneriterana ireo mpiasam-panjakana hanohana sy hampandany kandida iray, fa fanovana ihany koa eny anivon’ny Antenimierampirenena, mba tsy ho solombavambahoaka ho mpananga-tanana fotsiny tahaka ny zava-misy ankehitriny. Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT