Kolekitifa an’ny Malagasy – Avaradrano

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Mila olona sahy sy vonona hitondra fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa ny firenena,

ary mila olona tena hisolovava ny vahoaka marina, hoy ny Kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ao amin’ny distrikan’Avaradrano, Hajo Andrianainarivelo afak’omaly, teny Ambohimanga Rova. Olona niasa, miasa ary hiasa ho an’Avaradrano ireo kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy. Maro ny asa niaraha-nanao, niaraha-nisalahy tamin’ny vahoaka teny ifotony na nanana fahefana na tsia. Hamafisina ny ezaka efa vita ary hoy ny kandida laharana faharoa izay tarihin’i Andrianainarivelo Hajo sy Ratavilahy Andry amin’ny fifidianana Solombavambahoaka. Ankoatry ny fanamafisana ny fihavanana eo amin’ny mponina sy ireo ho Solombavambahoaka, nisy ihany koa ny anjara-biriky natolotry ny kandida ho fanazavana ny tanàna ka nanolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Naverimberina hatrany fa tonga ny fotoana irosoana amin'ny fanovana tena izy, atomboka eny amin'ny antenimierampirenena izany.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT