Kolekitifa an’ny Malagasy –

Avaradrano Hikatsaka ny mahasoa ny vahoaka Malagasy


  • Alarobia 15 Mey 2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

faharoa eto amin’ny Distrikan’Avaradrano, tarihin’ny Kandida Hajo Andrianainarivelo sy Ratavilahy Andry.Tsy maintsy atao manaraka ny filàn’ny vahoaka sy ny tena laharam-pahamehana ny fandaniana ny volam-panjakana hisian’ny akony mivantana eny ifotony hoy ny Kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ao amin’ny Distrikan’Avaradrano. Ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fanosehana ny sehatry ny famokarana ho fanatsarana ny farim-piainan’ny tantsaha, isan’ny vaindohan-draharahan’ny Kandida Solombavambahoaka Hajo Andrianainarivelo sy Ratavilahy Andry ao Avaradrano. Atao laharam-pahamehana ny fampianarana ny zanaka malagasy, ny fahasalamam-bahoaka satria ao anatin’ny saina matsilo, ny fananan’ny vahoaka vatana tomady no afaka hiasana hisian’ny fampandrosoana. Vonona hiady ho an’izany ny kandida an’ny kolekitifa an’ny Malagasy Avaradrano. Tsy ho mpananga-tanana fotsiny tahaka ny nahazatra rehefa tonga eny amin’ny Antenimierampirenena fa hiaro ny tombontsoan’ny maro an’isa, ary hanaraka akaiky ihany koa ny fampiasana ny volam-bahoaka.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT