Mazava ho azy fa tokony ho voarara sy henjehin’ny lalàna ity fandoroana birao misahana fifidianana
hita miseho ho lany sy mihanaka isak’ireo distrika ity. Ny farany teo moa izany dia nalaza ny tranga tao amin’ny distrikan’i Tsihombe sy ny SRMV Tsiroanomandidy. Hatezeram-bahoaka manoloana ireo endrika hoso-pifidianana sy halabato iparitahana porofo maro avy amina herivelona politika samihafa tokoa ve sa politika maloto mihitsy hahafahana mamafa ny voka-pifidianana amin’ireo distrika tsy nahazoan’ireo heverina ho kandidam-panjakana isan-jato ambony indrindra? Ny kandidam-panjakana no iaraha-mahalala tsinona fa manana kandida isaky ny distrika rehetra. Inona tokoa moa no tombontsoa manokana na hoe «intérêt» ho ana kandida tsy miankina , eny, na kandida avy amin’ny fanoherana ihany koa hanao izany asa ratsy izany nefa tsy nahafeno ny antsasa-manilan’ny kandida ilaina hameno ny distrika manerana ny nosy akory ny sasany? Misy antony tsy mazava ao ary tena heverina ankehitriny fa mahalasa ny mpanara-baovao raha ny fifanakalozan-kevitra hita sy heno eny amin’ny fiarahamonina eny. Misy ihany koa ireo mihevitra fa mety ho ambadika politika lalina no anton’ity kimaimay etsy sy eroa ity. Na hanafenana ny mety ho hala-bato natao, na natao mba hanafoanana ny voka-pifidianana, na ihany koa mba hamerenana ilay latsa-bato mihitsy.Na tiana na tsy tiana, na ny avy amin’iza na avy amin’iza no tompon’antoka amin’ny tranga toy ireny dia heverina fa tsy hahasoa ny firenena velively ary zava-doza tanteraka mihitsy aza raha sanatria miitatra amin’ny distrika hafa. Tsy 13 mey tokoa ve ireny toerana ireny ka tsy mila ambenana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.