KOHEN RIVOLALA

Rehefa niala ny vazaha dia aleo


  • Alarobia 05 Novambra 2025

handamina amin'izay ny Malagasy

Rehefa afaka aloha iny hazobe nisy poizina iny dia izay no tena zava-dehibe. Tena nanapotika sy nitondra ilay hozona ho an'ny Firenena ny mpitondra teo aloha hoy Kohen Rivolala Filohan'ny antoko politika Ctic Ctac Dou an'i Madagasikara no sady mpaminany. Miantso ny Malagasy mba tsy himenomenona araka izany ny tenany fa hahay hifandamina sy hifanohana ary hifampitondra am-bavaka. Ho an'ny antoko CCDM manokana izay tarihiny dia manohana feno izao Fitondrana mijoro izao izy ireo ary vonona ny hifanome tanana. Tafiditra ao anatin'izany ny fiaraha-midinika raha ilaina. Rehefa niala ny vazaha hoy izy dia aleo hifandamina amin'izay ny samy Malagasy. Aza mbola manantena zavatrabe anefa hoy izy satria mbola fanadiovana ny tanana rano fotsiny no hataon'ny mpitondra ankehitriny miampy ny fanomanana ny fifidianana madio sy mangaraharaha eken'ny rehetra. Nomarihin'i Kohen Rivolala araka izany fa tsy tokony mbola hilatsaka hofidiana ho Filoham-pirenena aloha ny Filoham-panjakana ankehitriny amin'ny fifidianana manaraka eo. Tsara ny manamarika fa telo volana talohan'ny nirodanan'ny Fitondrana Rajoelina dia efa nanambara i Kohen fa loza mitatao ho an'ny Firenena ary mitondra ozona ny fampiharana ny lalana momba ny resaka famosirana. Tsy azo hatao hoy izy ny mikitikitika filahian'olona na iza na iza Firenena eto ambonin'ny tany fa manimba izany. Mbola nankatoavin-dRajoelina ihany anefa izy io hoy izy tamin'ny raharaha resaka Dawilly ka izay no nampirodana azy. Ny tena mety hoy izy dia vonoina eo noho eo ny mpanolana raha sahy ny mpitondra fa tsy vosirina.
Pati
Légende : Kohen Rivolala mpaminany no sady mpanao politika manaraka akaiky ny raharaham-pirenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT